Actualités

Resaka finday Sahirana ny mpanjifan’ny Airtel


  • Zoma 24 Desambra 2010

Tato anatin’ny andro maromaro izao dia tsapa ho misy fikorontanana ao amin’ny «réseau» Airtel. Voalohany amin’izany ny fahagagan’ny mpanjifa raha nahita fa nihena an-toerana ny isa voaangony tao amin’ny ilay tolotra «rewardz», izay natao hankasitrahana ny mpanjifa araka ny fandaniany, efa nisy tamin’ny andron’ny Zain.

Ny faharoa dia hatramin’ny nanovana ny «FUN15», izay tolotra nahafahan’ny mpanifa niantso mandritra ny 15mn, amin’ny sandany 1000Ar, ho «FUN5» izay sandaina 500Ar ary ahafahana miantso mandritra ny 5mn. Tsapa mantsy nanomboka teo fa nihasarotra ny fidirana amin’ity tolotra farany, ka voatery mamerimberina ny fangatahany ny mpanjifa vao mety hahazo. Indraindray aza dia miala maina satria na maharay hafatra ilay olona milaza fa tsy mbola azo ampiasaina ilay tolotra (le Service n’est pas disponible), na hafatra milaza tsotra izao fa tsy misy io tolotra io (Unknown application). Ny olana fahatelo dia mahakasika ilay tolotra farany «SMS60». Akory ny hadisoam-panantenan’ny mpanjifa raha mba nampiasa io tolotra io izy omaly. Rehefa nampiditra ny “code” *100*2# ahafahana manjifa ilay tolotra izy tokony ho tamin’ny 4 ora hariva dia nahazo hafatra milaza hoe «voaray ny fangatahanao...». Minitra vitsy taorian’io dia nahazo hafatra indray izy manamarina fa manana Sms 60 isa... Dia nampiasa ilay tolotra tsy tamin’ahiahy ilay mpanjifa. Akory anefa ny fahatairany rehefa nijery ny ambin’ny fahana tao amin’ny findainy izy satria ankoatry ny sandan’ilay «SMS60» dia voatroka tao koa ny ambin’ny fahana nokasainy hatao fiandry.

Tsy niandry fa teo ihany ity mpanifa dia niantso ny sampana mpikarakara ny mpanjifa tao amin’ny Airtel, nangata-panazavana sy naneho ny fahadisoam-panantenany. Tsy naka sarotra akory ilay mpiasa nandray ny antsony nilaza fa «mbola eo an-dalam-pikarakarana sy fanatsarana tanteraka ireo tolotra rehetra ireo ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao, Tompoko, hoy izy, ka ialana tsiny indrindra raha misy tsy fahatomombanana KELY. Dia nilaza koa aza ity mpikarakara ny mpanjifa fa mety ho avy amin’ny findain’ny mpanjifa no antony mahatonga ny olana.
 
Tena tokony hanampy betsaka ny mpanjifa tokoa ny karazana tolotra toa ireo voalaza eo ambony ireo, nefa aleo aloha ho tomombana tsara ny fikarakarana rehetra vao atolotra amin’ny alalan’ny dokambarotra, ka azo ampiasaina tsy misy ahiahy na dia «tsy misy fifamatorana sy azo hovaina» aza.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT