Actualités

Razafitsiandraofa Jean Brunel Hahatafita ben’ny tanŕna 1000 ny vondron’Ambodivona


  • Alarobia 11 Febroary 2015

Handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny tanŕna ny vondrona Ambodivona, hoy ny depiote Razafitsiandraofa Jean Brunel raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly teny Tsimbazaza ka hahatafiditra olona hatrany amin’ny 1000 any

 

. Efa miomana fatratra ny amin’izany izahay ary efa fantatra mazava ireo kandidàn’ny antoko samihafa mitambatra ao amin’ny vondrona ka h atosika any amin’ny faritra misy azy any. Raha ny amin’ny fitoriana na fangataham-panazavana ny amin’ny fanarahana na tsia ny lalàmpanorenana malagasy ny fanendrena ny praiminisitra Ravelonarivo Jean dia andrasanay ny famoahan’ny HCC izany satria rafitra mahaleotena tanteraka izy io ka tsy hitsabahanay ny asany. Izahay aloha hatreto dia mihevitra fa tsy ara-dalàna izany ka tokony ho ao anatin’izany koa ny filoha Rajaonarimampianina satria manitsakitsaka lalàna mazava be izao. Raha ny mifanohitra amin’izay moa no mivoaka eo dia ho hita eo indray ny tohiny. Raha ny amin’ny fanontanianareo hoe : tokony hanovana anarana ireo namana teo aloha tsy te-hiaraka amin’ny prezidà Andry Rajoelina intsony fa efa mirona any amin’ny HVM dia any amin-dry zareo  ianareo manontany an’izany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT