Mbola hanohy ireo fihetsika mamoafady nanomboka tamin’ny taona 2009 ve ny mpitondra ankehitriny sa vonona ny hamafa sy hanadio tanteraka ireo tarazo sy farasisa nandrava ny firenena taorian’ny fanonganam-panjakana ?
Valin-teny tsotra sy mazava amin’io fanontaniana io no ilain’ny vahoaka amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra ary ireo solombavambahoakan’i Madagasikara vao nofidiny farany teo, hoy Raveloson Constant, mpitarika ny antoko MFM Analamanga. Raha tapa-kevitra ny hamarana hatreo ireo fomba ratsy namotika an’i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny mpitondra fanjakana vaovao dia tokony hampiseho izany fahavononany izany amin’ny fomba fiasany fa tsy mandany andro amin’ny adihevitra tsy mitondra fampandrosoana, hoy ity mpikatroka MFM ity.
Aminy dia karazana fanodinkodinana saim-bahoaka fotsiny ny mikasika ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana iny. Tsy ilaina intsony ny resabe momba ny fanendrena ny praiminisitra vaovao fa ny fanatanterahana ireo vary mangatsiaka tsy tontosa voalazan’ny tondrozotra no mahamaika izao ankoatra ny fanatanterahana ny fandaharanasa mipaka any amin’ny vahoaka dia ny lafiny ara-tsosialy sy ny toekarena. Amin’ny maha sendikalista azy dia mahita Raveloson Constant fa laharam-pahamehana, ohatra, ny famoronana sy fanomezana asa ny mpiray tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.