Actualités

Rava ny tanŕna Fanjakana tsy miasa !


  • Talata 24 Febroary 2015

Tsy misy fokontany iray, eto Antananarivo Renivohitra ka tsy ahitana lalana simba sy arabe misy lavaka. Tahaka izany koa ny any amin’ireo faritra manodidina ny renivohitra tahaka an’Andoharanofotsy, Itaosy, Ampitatafika, Analamahitsy

, Ivato. Any amin’ny lalam-pirenena moa dia efa tena potika tanteraka ny lalana raha tsy hiteny afa-tsy ny mampitohy an’i Moramanga amin’Ambatondrazaka isika (RN 44) sy ny mankany Tsiroanomandidy–Maintirano (RN 5). Efa mahatsikaritra fahasimbana maro ihany koa izay mizotra mianatsimo amin’ny lalam-pirenena faha-7 (RN 7) sy ny mandeha miantsinanana any amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RN 2). Mitombo isa ireo faritra mitoka-monina eto Madagasikara, misedra olana goavana ny mponina ary sarotra ho an’ny fitondram-panjakana ny mamonjy sy manampy ireo traboina. Manampy trotraka an’ireo ny firongatry ny asan-jiolahy, tsy vitan’ny mangalatra sy mamaky trano fa mbola manolana zaza amam-behivavy sy mamono olona amin’ny fomba feno habibiana ireo jiolahy ary tato ho ato dia lasa malaza indray ny fakana an-keriny.

Voka-dratsin’ny tetezamita

Ny tsy fisian’ny fikojakojana ara-dalàna ny lalana nanomboka tamin’ny nisian’ny fitondrana tetezamita (2009) no antony voalohany nahasimba ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy ampy vola mantsy ny fitondrana tetezamita ka tsy afaka nanao izany. Efa ho enin-taona izany no tsy nokojakojaina ny lalana teto amintsika, tafiditra tao anatin’izany ny eto Antananarivo Renivohitra. Voaporofo eto fa tena fanimbana no natao teto Madagasikara fa tsy fanovana, porofo mivaingana hita maso ny fahapotehan’ny lalana manerana ny nosy. Tsy ho tahaka izao velively ny zava-nisy raha nitohy ny fanamboaran-dalana nataon’ny fitondrana Ravalomanana, izay efa nametraka tanjona fa 15 000 km no amboarina, ary nahita famatsiam-bola hanaovana izany. Vita ny 10 000 km latsaka kely tamin’ny taona 2008. Nitsahatra izany avy eo satria nitranga ny fanonganam-panjakana. Nanesoesoana an’i Marc Ravalomanana ilay fomba fiteny hoe : « fa ny lalana angaha azo hanina ». Mahatsapa tsara angamba ny rehetra ankehitriny fa mahavonjy ny lalana ary tena nahira-tsaina i Marc Ravalomanana nanao ho laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana, izay lalandra mamelona ny firenena, manamora ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, mampihena vola lany ikojakojana ny fiara. Nanimba sy nanapotika ny fitondrana tetezamita, izao fitondrana miana-draharahan’ny HVM izao indray dia tsy azo antenaina hanamboatra ny lalana manerana an’i Madagasikara. Maro ihany koa ny kabary natao, saingy mitohy hatrany ny herisetra manjo ny olom-pirenena, miverina indray ny asan-dahalo, misy ny mpitandro ny filaminana voarohirohy amina raharaha fakana an-keriny, lasa tahaka ny tany tsy misy fanjakana eto na misy ihany saingy tsy miasa fa be resaka fotsiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT