Harahinao mpamaky isan’andro manomboka anio ato amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny tantara an-tsary «RATSIMANDRAVA».
Maro no efa voasoratra mikasika azy na teo amin’ny fitantanam-panjakana izany, izay nampalaza ny rafitra Fokonolona, na teo anivon’ny foloalindahy, satria izy no Malagasy voalohany komandin’ny zandarimariam-pirenena. Misy koa anefa ny lovantsofina tsara ho fantatra momba ny fitiavan-tanindrazana tao amin’ny kolonely Ratsimandrava Richard, indrindra amin’izao vanim-potoana diavin’ny firenena izao sady ankatoky ny hankalazana ny fahaleovantenam-pirenena rahateo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.