Actualités

Rasoaniaina Malalatiana «Avelao i Marc Ravalomanana ho avy»


  • Alakamisy 17 Febroary 2011


Manao ranolava ny fanehoan-kevitra taorian’ny nivoahan’ny filazana sy nielezan’ny vaovao fa dia hiverina an-tanindrazana amin’ity herinandro ity ny filoha Marc Ravalomanana. Azo antoka fa hitondra filaminana, hampisy fitoniana ary hanamora ny fandaminana ny krizy ny fahatongavany, hoy Rasoaniaina Malalatiana, mpitarika ny vehivavy MFM. Ny fisiany eto dia hisoroka ny valifaty politika sy ny fifanonganana lava eo amin’ny fitondrana, hoy ihany ny fanazavany.

Aoka tsy ho tsianjery na ventesina am-bava fotsiny koa ny filazana fa raharahan’ny samy Malagasy ny mandamina ny krizy eto, fa aleo iainana, ka dingana amin’izany ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana, izay iray amin’ny fototry ny krizy, an-tanindrazana. Koa rariny raha eto izy, ary mandray anjara mivantana amin’izay dinika ifanaovana hikatsahana vahaolana handrafetana sori-dalana iraisana hivoahana amin’izao krizy izao ary mitondra mankany amin’ny fankatoavana iraisam-pirenena, hoy ihany ity mpitolon’ny «Mafana» ity.

 Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT