Actualités

Raobelina Fenomanjato Manan-jo haneho hevitra tahaka ny rehetra i Dada


  • Zoma 13 Febroary 2015

Elaela no tsy tazana tety an-kianja ny tenako, hoy Atoa Ranaivorazo Fenomanjato Raobelina na i Feno, omaly, tetsy amin’ny Magro Behoririka, fa tsy maintsy mba manokana fotoana kely ihany koa hanaraha-maso ny zava-misy eny amin’ny faritra misy ny tena. Hivoahana amin’ny krizy no nanekentsika mianakavy nanatanteraka fifidianana, hoy izy.

Indrisy anefa fa hatreto dia mihasahirana ny vahoaka malagasy, miharatsy ny filaminana, mihemotra ny faripiainan’ny olona. Isika eto an-kianja tsy mba kivy amin’izany fa mitolona hatrany, hoy izy. Raha niverina eto an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana dia tsy sanatria ho enta-mavesatra ho an’ny firenena ka nandaniana volabe tany Diego, fa niadiantsika ny fiverenany,  hanavotany ny firenena. Faly isika fa tonga izy kanefa tsy maintsy takiantsika ny fahalalahany tanteraka sy ny hivezivezeny malalaka manerana an’i Madagasikara, takiantsika koa ny hanokafana ny Tiko. Manan-jo haneho hevitra mantsy, hoy ity MCT taloha ity, ny olom-pirenena rehetra ka anisan’izany i Dada, ary efa voasoratra anaty lalàmpanorenana rahateo izany. Tokony homena malalaka azy izany. Isika mianakavy dia mahita ankehitriny fa tsy mandeha ny raharaham-pirenena. Nataontsika ny hahazoana vola nefa tsy misy izany amin’izao fotoana izao. Tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana anefa dia tsy tambo isaina ny fanampiana avy any ivelany. Dikany dia misy zavatra tsy mirindra sy milamina ao na dia lany tamin’ny fifidianana aza ny mitondra antsika ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT