“Roso ‘toy, tsa mipody koa”. Izay no azo ilazana ny fametrahana ilay rantsan’ny oniversiten’Antananarivo ao Vakinankaratra.
Raha resabe hatrany mantsy ny manodidina ilay tany hanorenana izany teo aloha noho ny fibodoan’ireo mponina efa nanorim-ponenana teo amin’ilay tanim-panjakana, dia fantatra fa hanomboka amin’ny fiandohan’ny volana jona 2014 io ny asa izay haharitra herintaona eo ny fanorenana. Velaran-tany mirefy 4 hektara eo ho eo aloha no hanombohana ny fanorenana azy, izay voalaza fa ho goavana ny fotodrafitrasa hatsangana satria hisy hatramin’ny «complexe sportif», izay ahitana toeram-pilalaova maro isan-karazany, eny fa hatramin’ny dobo filomanosana no sady hisy ny ilaina rehetra noho izany ity «Campus universitaire» ity, ankoatra ireo trano hianaran’ny mpianatra.
Ao amin’ny Fokontany Tsaratanana, Kaominina Vinaninkarena, Distrikan’Antsirabe faharoa moa no hanorenana ity fotodrafitrasa ity. Fantatra nandritra ny fitsidihana nataon’ny solontenan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny delegasiona notarihin’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra fa mbola azo hitarina arakaraka ny filana ny velaran’ny tany, izay mbola malalaka tsara. Marihina moa fa ny sampana Polyteknika dia efa mianatra ny taona voalohany amin’izao fotoana izao ao Vakinankaratra izay misy sampam-pianarana maherin’ny 9.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.