Actualités

Ranohira Mifanolana ny kaomisera sy ny lehiben’ny Faritra


  • Alakamisy 09 Desambra 2010


«Tsy manaiky aho raha ny zanakay no avela ho fatifaty foana. Efa niaiky mihitsy ireo olona voasambotra ireo fa nitifitra ary namono nahafaty ilay polisy. Ao amin’ny lehiben’ny Faritra anefa no mialokaloka izao ireo havan’ireo mpitifitra ireo», hoy ny kaomisera ao Ranohira nanazava mikasika ity fahafatesan’ny polisy tany an-toerana ity. Araka ny fantatra kosa dia tezitra ny lehiben’ny Faritra tamin’ity raharaha ity ary nilaza mihitsy fa misy ihany koa ny zon’ny voapanga tokony ho nohajaina. Ny loharanom-baovao avy amin’ny ministeran’ny Filaminana anatiny anefa dia nilaza fa misy olona mpanelanelana amin’ity raharaha tany Ranohira ity. Misy moa ny taratasy ampanaovin’ny lehiben’ny Faritra Ihorombe amin’izao fotoana izao, hangatahana ny hanalana ny kaomisera ao Ranohira. Mpikambana ao amin’ny antoko Leader Fanilo ity lehiben’ny faritra Ihorombe ity ary anisan’ireo voatendry voalohany tamin’ny fanendrena lehiben’ny faritra raha vao nahazo fitondrana ny FAT.

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT