Dibo-drano efa ho roa volana izao iny faritra Ilanivato mipaka any Ampefiloha Ambodirano, Boriborintany faha-4 iny, ahiana ny valan’aretina.
Betsaka rahateo ny mponina efa mitaraina fa tratry ny aretin-kibo, kohaka sy sempotra amin’izao. Tonga eny ambony fandriana ny rano ao anaty trano, difotry ny rano ny lalankely fandehanana isan’andro, ny arabe fizoran’ny fiara moa dia misy ampahan-dalana 150 metatra eo ao anaty rano. Mitsobo-drano na mitaingina sarety izay tsy manana fiara na mandeha taksibe na fiarakaretsaka. 100Ar isan’olona ny saram-piampitana amin’io ampahan-dalana io ary misy manao ho anton’asa izany, sitrany ahay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.