Tsara ny ezaka fanamboaran-dalana tanterahan’ny fitondram-panjakana ankehitriny na tsy dia fahita firy hatramin’izay aza ny mikitika fotodrafitrasa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana. Tsy azo andrasana intsony rahateo ireo asa sokajiana ho tena
maika ireo mba hisorohana ireo loza mety hitranga. Misy ihany anefa ny indrokelin’ny mpandrafitra raha mivezivezy eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao fotoana izao, hoy Rakotomamonjy Philippe. Tsy lazaina intsony moa ny fahasahiranan’ireo mponina mipetraka eny amin’ny faritra iva. Mahasadaikatra ihany anefa ny fahitana ireo rano miandrona eny amin’ireo arabe sokajiana ho fampiasan’ny mponina andavanandro toy ny eny Ampefiloha sy ny eny Anosy ahitana ireo ministera goavana eto amin’ny firenena. Efa misahana ny fikojakojana ny lalana ihany ny fanjakana ka tokony hohararaotina miaraka amin’izay ny asa fanadiovana ireo tatatra fivoahan-drano izay mety hiteraka olana hafa eny anivon’ny fiarahamonina, hoy ity mpanao politika sy asa sosialy ity. Heverina tokoa fa mipetrapetraka am-birao fotsiny ireo tompon’andraikitra amin’ny fanadiovana sy fisokirana ireny tatatra tsentsina ireny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.