Sendra ny nahay azy ary ela nitoratorahana ka nahavoa mason’angatra. Raim-pianakaviana iray 57 taona manan-janaka efatra, monina etsy 67 ha Avaratra Andrefana, no tapa-dela nokaikerim-badiny, ny sabotsy alina teo
. Nilalao fitia niaraka tamina tovovavy iray avy any Atsimo (somondrara ndao fa lera) ity lehilahy ity no tratram-badiny. Ity farany izay efa nanara-maso azy efa hatry ny ela. Tamin’io sabotsy io, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva latsaka kely, hitan-dramatoa nifanoroka tamin’ilay vadikeliny tao anaty « bar » iray tsy lavitra ny Paositra 67 ha Atsimo, ity mpitandro filaminana teo aloha efa nisotro ronono ity.
Teo am-panaovana firaisana
Rafitra ny ady rehefa tonga tany an-trano rangahy, avy eo nilamina ihany. Tsy niteny, tsy nivolana ity renim-pianakaviana mbola tanora ity fa nanomana ny tetik’adiny. Teo am-panaovana firaisana ara-nofo izy mivady no nokaikerin-dramatoa ny lelan’ity mpanitsakitsaka tokantrano ity, izay tsy nanampo na inona na inona. Naratra ary nijininika ny ra. Raha nisy kely saika tapaka mihitsy ny lelany, hoy ny vaovao voaray akaiky ny fianakaviany.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.