Actualités

Randriamamiarizafy Ignace Tena kere Antananarivo fa tsy traboina fotsiny


  • Alakamisy 05 Martsa 2015

Raha ireo tsirambin’ny tanana hoentin’ireo malala-tanana eto amin’ny manodidina an’Antananarivo no jerena dia azo ambara fa tena kere no misy eto fa tsy traboina fotsiny, hoy Randriamamiarizafy Ignace. Ny hita sy fandre mantsy, hoy izy, rehefa misy an’ireo hetsika famonjena ireo havana niharam-boina eny amin’ny faritra iva noho ny fiakaran’ny rano ireny dia ny fizarana fotsimbary no tena be mpanatitra

 

eny amin-dry zareo ary miaraka amin’ny kojakoja fampiasa an-dakozia tahaka ny vilany sy fatapera mihitsy aza. Tsy misy valaka amin’izany no hita eny amin’ireo tandindomin-doza noho ny mety ho fihotsahan’ny tany sy mety ho firodanan’ny vato mandondona eny amin’ny faritra avo toerana ka asaina miala amin’ny toeram-ponenany. Azo an-tsaina ny mahazo azy ireo amin’ny tsy fetezan’izy ireo miala amin’ny tranony, hoy ity MCT taloha avy any Moramanga ity, satria matahotra ny fananany hisy handroba sy hanao latsak’alina ry zareo. Satria ao an-trano avokoa ny fitaovana fahandroan-tsakafo miaraka amin’ny ambin-tsakafo kely aza dia tsy vary na vilany no olana ho an-dry zareo fa ny tranolay isam-pianakaviana hasiany vonjimaika an’ireo fitaovany rehetra ao an-trano mba tsy hisy hanararaotra hangalatra. Avadiky ny mpanao politika sy fikambanana samihafa ho resa-politika sy fanehoana fihetseham-po fotsiny ka ho lasa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ity resaka fanomezana fanampiana ny traboina ho an’Antananarivo sy ny manodidina, hoy Randriamamiarizafy Ignace, hany ka izay toerana ahitana traboina mitoby dia ny fiandrasana hanina ho tonga no ao an-tsain-dry zareo sy takian’izy ireo mihitsy aza.

Ntsoavina Evariste



Bas du formulaire

Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT