Amin’ny maha filohan’ny vaomieran’ny fampianarana ambaratonga ambony sy fikarohana siantifika eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny tenako, hoy ny depiote Randriamahefa Henri Charles avy any Moramanga, dia lazaiko fa tena nahavitana fotodrafitrasa maro, nahazoan’ny tantsaha tany aminay masomboly sy zezika nahafahany nampitombo ny vokatra ny Tahiry ho fampandrosoana ifotony na FDL natomboka tamin’ny fitondrana Ravalomanana ka tokony haverina tanteraka ary apetraka tsara kosa ny fitsipi-dalao aminy. Tsy ny resa-bola ihany no ilain’ny Faritra hananany fahaleovantena fa ny resaka rafitra sy ny olona mitantana azy mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.