Actualités

Ranaivoson Alain “Mbola malalaka ny tsena ivelany fa isika no tsy mihetsika”


  • Zoma 20 Febroary 2015

Ranaivoson Alain, mpandraharahan mpanorina ny “Domaine Fiavo Exploitation agricole” mifototra amin’ny fambolena sy fanondranana vokatra avy any ivelany no vahinin’ny sokela anio. Izy dia nilaza fa mahatoky ny fandraharahana malagasy hampiakatra ny toekarem-pirenena, nefa mila fanarahana rafitra mazava ho an’ny tsirairay izany. Toy izao ny resadresaka nifanaovana taminy.


Tia Tanindrazana (T.T) : Orinasa tsy dia mbola faheno firy ity “Domaine Fiavo” mifototra amin’ny “exploitation agricole” tantananao ity Atoa Tale, inona no azo ambara ?

Ranaivoson Alain (R.A) : Marina tokoa fa vao 5 taona izao no nananganako an’ity orinasa “Domaine Fiavo exploitation agricole” ity ka miandraikitra ny fanondranana vokatra laron-tsakafo any ivelany no tena imasoany. Efa nisy 5 taona hafa teo aloha anefa nanompanana ny asam-pambolena ny vokatra tena ilaina amin’izay fanondranana izay ka ny mampiavaka anay dia sady mamboly no mampamboly vokatra ny tantsaha izahay mba hiezaka hanaraka ny tovotao iraisam-pirenena eo amin’izay vokatra ampakarina izay.

(T.T) : Niaraka tamin’ny Hafari Malagasy amin’ilay tetika Exode Urbain no tena nahitana anao matetitetika tao ho ao tompoko ?

(R.A) : Tena masa-bary maito kitoza tokoa no azo hilazana anay sy ny Hafari Malagasy amin’ity tetikasa Exode Urbain ity. Izahay mantsy dia niezaka nanome “spécialisation” fikambanana tantsaha efa mijoro ka ho an’ny eny Soaniedanana dia ny fambolena “poivre rouge” no tena hampianarina ny olona eny ankoatra ny fanaovana voly hafa mahazatra koa. Mampianatra ny olona hamboly hahazo vokatra manara-penitra izahay fa tsy mambolimboly fahatany fotsiny. Hafa kosa ny “spécialisation” ny any Itasy, Bongolava, Vakinankaratra. Ireo lalam-barotra efa hita no hampanaraham-penitra mba hampihodina ny toekarena malagasy.

(T.T) : Miresaka toekarena ianao Atoa tale manao ahoana marina izay olana tsy mampihodina tsara ny toekarena malagasy izay ?

(R.A) : Tsy tokony hisy olana io raha manaraka ny tokony hataony daholo ny Malagasy. Tsy hoe ny tantsaha mpamboly fotsiny no voakasik’izany fa ny rehetra mihitsy, ka raha manaraka ny “cycle” ara-dalàna isika dia tokony hivaha tanteraka ny olan’ny toekarena malagasy. Tsy hisy olana mihitsy ny fanatanterahana izany ary tsy tokony hiantehatra amin’ny fanampiana any ivelany lava izao isika. Afaka miala tanteraka amin’ny fiankinan-doha amin’ny any ivelany io isika raha voapetraka tsara ny fanarahana ny tovotao maneran-tany.

 (T.T) : Inona no tena olana amin’ity resaka toekarena malagasy  ity araka ny fandinihanao azy ?

(R.A) : Misy ny fifaninanana tsy ara-drariny na “concurence deloyale” amin’ireo fanondranana entana tsy ara-dalàna ka lasa ny vokatra avy any ivelany no mora noho ny vokatra avy eto an-toerana. Tsy hoe misy ny fitavozavozan’ny mpandrahara fa ny fitiavan-tena no manjaka be amin’ny sasany ka lasa olon-tokana no mahazo tombontsoa dia atao izay tsy mampahomby ny daholobe. Izany tsy midika hoe tsy hanafatra entana avy any ivelany intsony isika fa tokony hofehezina  tsara fa matetika ny vokatra tsara aty amintsika no alefa any ivelany fa ny vokatra ratsy avy any no tonga aty amintsika. Ireo vokatra mihoatra na ny “surproduction” anefa no tokony haondrana any ivelany raha ny marina. Matetika ny vokatra avy aty amintsika ihany no haodin-dry zareo any aminy dia haveriny aty amintsika indray avy eo. Raha fehezina izany dia tokony hotohanana ny tantsaha sy ny indostrialy malagasy ary tokony harovana koa fa efa mahavita zavatra tsara be dia be.

(T.T) : Farany, manao ahoana marina izao ny fanondranana entana malagasy any ivelany io tompoko ?

(R.A) : Mbola malalaka ny sehatra fa isika no tsy vonona. Raha ohatra ka misy olona 1000 fotsiny manao izao zavatra ataoko izao dia vetivety dia hiakatra ny toekarentsika. Ny any ivelany mantsy dia mahatoky ny vokatra malagasy fa isika no tsy te hisahirana hampiasa vola amin’ny fambolena na “exploitation agricole” fa taitaitra amin’ny vola mihodina haingana tahaka ny famarotana fiarakodia tonta sy fironana amin’ny varotra volamena koa ohatra. Be no mpividy fa araka ny voalazako teo ombieny ombieny dia mila mamokatra vokatra manaraka ny tovotao iraisam-pirenena isika. Tokony mba horesahana amin’izay ilay karazana teny eso hoe : Madagascar pays des échantillons fa tokony hatao ilay izy e !

Ny teniko farany dia ny fanentanana ny Malagasy hiray hina aloha fa “ny tsy mahay sobika mantsy mahay fatram-bary”, hoy ny ntaolo, ka mila fifanohanana sy fanarahana rafitra anaty lojika ny fampivoarana ny toekarena n’aiza n’aiza.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT