Nomem-boninahitra manokana teny amin'ny fakiolten'ny teny an-tsoratra
oniversiten'Antananarivo ny profesora Françoise Raison-Jourde (professeure émérite eny histoire) izay nodimandry ny 25 jona 2024 lasa teo.
OLON'NY FIKAROHANA
Nitondra anjara biriky lehibe teo amin'ny tantaran'i Madagasikara tamin'ny alalan'ny asa sorany sy ny fampianarany ary ny fotoana niainany teto Madagasikara (1960-1973) i Françoise Raison-Jourde hoy ireo mpianany fahiny sy mpiara-miasa taminy. Anisan'ireny i Ramanantsoa Ramarcel Benjamina, izay tafahaona tamin'ity mpampianatra mpikaroka ity nandritra ny nianarany tany Paris - France tao amin'ny Laboratoire Géographie, Histoire et science de la société (G.H.S.S). Olon'ny fahalalana, olon'ny fikarohana izy ary anisan'ny nanova ny fomba fijeriko sy fomba fisainako amin'ny fahazoana sy fanoratana ny tantara hoy i Ramanantsoa Ramarcel Benjamina ary namporisika ahy hatrany hijery ireo loharanom-baovao ara-tantara voarakitra an-tsoratra izay somary saron'ny lovan-tsofina hatrizay.
FAHIRATAN-TSAINA
Nanamarika ahy manokana hoy hatrany ity minisitra teo aloha ity, ny fahiratan-tsain'ny prof Françoise Raison-Jourde sy ny fahaizany mandrafitra fomba fiasa miavaka ary ahavitan-javatra tsy manampaharoa.Sady nampianatra izy no nitantana, no niasa teo anivona trano fanotam-boky ary vehivavy katolika mpitolona mafana fo . Marihina manokana ny tohan-keviny momba ny baiboly sy ny fahefana eto Madagasikara tamin'ny taonjato faha-19 (Bible et pouvoir à Madagascar au XIXème siècle).
NAMETRAKA LOVA
Nametraka lova tsara ho an'ireo rehetra nianatra, tia ary liana amin'ny tantara izy hoy hatrany ny fanazavana ary nampatsiahy fa ny fahaizana tantara dia midika ihany koa fa misy ny fera tsy azo ihoarana, misy fifanajana mila mipetraka. Izany fahendrenana nananany izany no tsy nahavoafandrika ny prof Françoise Raison-Jourde tamin'ilay fomba fisainana tandrefana amin'ny fikirakirana ny tantara. Napetrany mazava ny fanontaniana : " zo avy aiza moa no ahafahana manoratra ny tantaran'ny hafa ?". Tia olona ary tia manampy olona ny prof Françoise Raison-Jourde, hoy ireo rehetra nahafantatra sy niara-niasa taminy. Teo foana izy, mamaly ny antso raha misy nilàna azy ary telo andro mialohan'ny nahafatesany aza izy dia mbola nifampiresaka tamin'ny mpianany iray mombana boky mirakitra tantaran'ny taonjato faha-19. Ankoatra an'i Ramanantsoa Ramarcel Benjamina dia tazana nanatrika ity fanomezam-boninahitra manokana teny Ankatso ity ny fianakaviamben'ny oniversite sy ny sampana tantara eny Ankatso nahitana an-dRamatoa sy Andriamatoa isany Emerson Andrianetrazafy, Manassé Esoavelomandroso, Irène Rabenoro, Solofo Randrianja, Marcelline Razafimbelo, Lucile Rabearimanana - Rafolo Andrianaivohery. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra tao Profesora Raymond Ranjeva mivady, ireo Mpampianatra Mpikaroka Tantara sy ny Fiarahamonina, ary ireo mpianatra tantara eny amin'ny Anjerimanontolo Ankatso. Alexandre Lahiniriko moa no nitarika ity fotoam-pahatsiarovana, nanomezam-boninahitra ny Prof Françoise Raison-Jourde ity.
Nangonin'i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.