Nialoha ny nialany tao an-tanàna fonenany fahavelony ka nanaterana azy tany amin’ny fasan-drazany any amin’ny faritra Manjakandriana dia notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy » Ramanandraibe Maurice Tsihavonana.
Ny minisitry ny serasera Rina Andriamandavy VII no nanolotra an’izany tamin’ny anaran’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Taorian’ny fotoam-pivavahana fohy notanterahina teo an-toerana sy ny fijoroana vavolombelona nataon’ny minisitra Pierre Houlder nanamarika ny tsy fisarahan’ny anarana Pierre Houlder/Maurice Tsihavonana nanomboka tamin’ny taona 1993. Nambarany fa very olomanga sy andry iankinana ny fianakaviana, very olomanga sy tena namana izy Pierre Houlder ary very olomanga ihany koa ny firenena nilaozan’i Maurice Tsihavonana. Tsy nisy nieritreritra ny hanao fandaharana amin’ny onjampeo izany izy ireo satria ny iray admnistrateur civile tao amin’ny minisiteran’ny adi-tany ary ny iray kosa nanaraka ny fiofanana ho dokotera nefa dia natambatry ny hevitra hitondra ny anjara biriky ho fampivoarana an’ity firenena ity. Mbola mirary fiononana feno ho an’ny vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.