Actualités

Raikitra ny fifampitifirana Malaso roalahy maty tany Ambaravaranala


  • Zoma 18 Aprily 2014


 Notafihin’ny malaso 12 lahy mirongo barim-borona ny tanânan’Androtsy, Kaominina Soaloka, Distrikan’i Miandrivazo, ny 11 aprily. Niantsinanana nihazo an’i Bongolava ny dian’omby. Nanara-dia ny Zandary avy ao amin’ny tobin-janaparitra Soaloka sy ny Fokonolona ka nisy ny fifandonana ny tolakandron’ny 14 aprily. Naharitra ora iray teo ho eo izany tao amin’ny alan’i Morafeno, Fokontany Ambaravaranala, Kaominina Fiarenana, Distrikan’i Tsiroanomandidy. Dahalo roa no maty. Tafaverina tamin’ny tompony avokoa ny omby rehetra, nisy ny basy azo. Tsy nisy naratra na namoy ny ainy tamin’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona nanara-dia.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT