Maty nodonin’ny fiara, nitsoaka ny mpamily
Fomba ratsy efa mihamahazao vahana tanteraka ny fitsoahana andraikitra ataon’ny mpamily mahavanondon-doza. Lehilahy iray antsoina hoe :Raharison Noë no maty tsy tra-drano teny Andranotapahina amin’ny lalam-pirenena faha-4, ny harivan’ny zoma 18 aprily teo rehefa nodonin’ny fiara iray. Nandeha moto avy any Anosiala itompokolahy tamin’io ka niharan-doza tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva.
Mafy dia mafy ny fifandonana ka vaky sy niparitaka teo no ho eo ny lohan’itompokolahy. Misafotofoto anefa ny zava-misy satria nanjavona avokoa ny taratasy rehetra teny aminy, ny kara-panondro, ny vola sy izay rehetra tao anatin’ny kitapony. Vao avy nandray vola izy ny omalin’io loza io. Tsy mbola fantatra hatreto izay nahavanona ny loza. Mangataka fiaraha-miasa amin’ny olon-drehetra izay mety ho manana vaovao momba ity raharaha ity ny fianakaviana. Tsy misy hita mantsy izay nahavanon-doza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.