Actualités

Raharimanarivo Voahanginiaina «Tokony hatao lalŕm-pirenena Itaosy»


  • Alatsinainy 12 Mey 2014

Distrika be mponina no sady be velarana aorian’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra i Atsimondrano. Tena manahirana ny mpiara-belona isan’andro, ohatra, ny tohana eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana, indrindra ny fahasimban’ireo lalana amin’ny vanim-potoam-pahavaratra.

 Soso-kevitra avy amin’ny solombavambahoakan’i Madagasikara Raharimanarivo Voahanginiaina noho izany ny tokony hanaovana ho lalàm-pirenena an’ireo lalana mampitohy an’Itaosy sy ny manodidina. Mieritreritra ihany koa ny depioten’i Madagasikara voafidy tao Atsimondrano fa tokony hitarina amin’ireo tanàna ivelan’ireo Boriborintany enina ny fanamboarana ity fotodrafitrasa manamora ny fifamezivezena eo amin’ny samy Malagasy ity. Resy lahatra ny tenany fa vahaolana tena mahomby amin’ny famahana ny fihisaran’ny fifamoivoizana ny fijerena akaiky izany.

Mila jerena akaiky ihany koa ny sehatry ny fambolena ho fanampiana ireo tantsaha maro an’isa ao anatin’ny Distrika, hoy ny tenany. Tsy hita taratra loatra tao anatin’ny famelabelaran’ny praiminisitra ny momba ilay fampihavanam-pirenena nolazain’ny filoham-pirenena tao anatin’ny fandaharanasany, araka ny fanamarihana nataon’ity solombavambahoakan’i Madagasikara avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Nifamotoana tamin’ireo mpifidy azy naneho fisaorana sy nanome toky amin’ny fanatanterahana ny hetahetan’izy ireo eo amin’ny asa fampandrosoana ny depiote Raharimanarivo Voahanginiaina ny sabotsy lasa teo teny Andohatanjona.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT