Mijanona sy vitavita ho azy ny raharaham-pitsarana lehibe amin’izao fotoana akaiky fifidianana izao. Tampina tanteraka ny daomy momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy, efa nivalona ny dosie Antsakabary, tantara sisa ny raharaha Houcine Arfa sy ny karazana kolikoly tao amin’ny fitsarana toy ny fandorana taratasim-panadinana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha …
Ireny aza tsy misy resaka mainka fa ny fitoriana ny nataon’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Asa na mba ilaina ihany ny Fitsarana ambony na HCJ na mba hampiasaina hanenjehana ny mpitondra mpanao kolikoly sy afera maizina. Tsy misy ny fanazavana matotra sy mafonja fa dia hampanginina sy hampirimina tsotr’izao ny raharaha maloto rehetra satria mety hanova zavatra sy hanimba ny hoavin’ny mpanao politika maro. Raha hiverenana ny raharaha Claudine Razaimamonjy, dia efa nambaran’ny Bianco, fa feno ny dosie any amin’ny fitsarana.Ny volana jona 2017 no efa nanomboka notanana am-ponja vonjimaika ity mpanolotsaina manokan’ny filoham-pirenena ity, tsy mbola voatsara hatramin’izao. Nipoitra ny horonantsary maneho ny herisetra tany Antsakabary tamin’ny febroary 2017 momba ny famatorana sy fampandohalihana ireo vatan-dehilahy ary ny fandorana ny tanàna, saingy niodinkodina am-pitoerana fotsiny ny teo anivon’ny polisim-pirenena sy ny fitsarana; nambara fa efa nalaina am-bavany ireo polisy 42 voarohirohy dia nijanona teo ny fampitam-baovao. Rehefa raharaha sy dosie tahaka ny ahoana vao handeha araka ny tokony ho izy sy ara-potoana ny raharaham-pitsarana ? Madio sy marina avokoa ve izany ireo olona voarohirohy amina raharaha kolikoly avo lenta sy heloka bevava voatanisa teo ireo? Sa kosa nampirimina mihitsy aloha ny antontan-taratasy rehetra satria hanao fifidianana aloha dia ho hita eo indray amin’ny herintaona ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.