momba ny lalana sy ny fitaterana entana
Hampiroborobo ny fampiasana angovo madio
Tanterahina nanomboka omaly 4 hatramin'ny 6 novambra 2026 ny Fihaonambe iraisampirenena momba ny lalana sy ny fitaterana entana nokarakarain'ny fikambanana iraisampirenena momba ny lalana (PIARC), niaraka tamin'ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Tetikasa «Smart Clean Cooking», izany hoe, ny resaka nahandro mifantoka amin’ny fitandroana zavaboary, raha atao dika malalaka. Mifantoka indrindra amin'ny fanatsarana sy fanamafisana ny fotodrafitrasa momba ny fitaterana an-dalambe ity fihaonambe iraisampirenena ity mba hananana rafitra maoderina azo antoka ary maharitra ho fanamorana ny fivezivezen'ny entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ary ho fanohanana ny fitomboan'ny toekarena. Mandritra izany no ifanakalozan'ireo solontena avy amin'ny firenena samihafa traikefa sy fomba fanao tsara. Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana ihany koa ny fitsidihana eny ifotony. Ankoatra izay, notanterahina nandritra io lanonana io ny fampahafantarana sy fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa «Smart Clean Cooking», izay hotanterahina mandritra ny taona 2026 hatramin'ny 2031, ary mikendry ny hampiroborobo ny fampiasana angovo madio sy ny fomba fandrahoan-tsakafo maharitra eto Madagasikara. Anisan'ny vahaolana aroso amin'izany ny fampiasana fatana nohatsaraina sy mitsitsy, ny herinaratra, ny entona, ny «bioéthanol», ny biogazy, ny «briquettes» ary ny «biomasse» maharitra, raha ny fampitàm-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.