SENDIKA

MITAFA feno 5 taona


  • Alakamisy 05 Novambra 2026

Nahitam-bokany ny tolona natao

Hankalaza ny faha-5 taona nijoroany ny 5 sy 6 novambra 2026 ny sendika MITAFA, izay mijoro eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Ny fanatsarana ny tontolon’ny fanabeazana sy ny fiarovana ny tombontsoa ary ny fari-piainan’ny mpampianatra sy ireo rehetra misehatra amin’ity sehatra ity no tanjona sy fototry ny tolona napetraky ny sendika hatramin’ny nijoroany. Araka ny nambaran’ny filohany, Ram’s Mahatoky, dia maro ireo sedra nolalovan’ny sendika nandritra izay dimy taona izay. Anisan’ny tolona lehibe notanterahiny ny hetsika natomboka ny 25 septambra 2025, izay nandraisan’ny MITAFA anjara tamin’ny fanohanana sy fitarihana ireo mpampianatra sy ny sendika teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Nahitam-bokatra izany tolona izany, hoy izy, ka misitraka ny vokatra azo ny rehetra ankehitriny. Ohatra amin’izany ny « indemnité de logement », izay 36 000 Ariary no nangatahana tamin’izany, saingy tafakatra 200 000 Ariary ankehitriny. Na eo aza ireo vokatra azo, dia mbola mitohy ny tolona, indrindra manoloana ny fisian’ny fanararaotam-pahefana sy ny tsy fitoviana eo amin’ny fikarakarana ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana. Ao anatin’ny dimy taona ho avy, tanjona kendren’ny MITAFA ny fanatanterahana ny vina « MEN ho an’ny MEN », izay mikendry ny fametrahana ny ministera eo am-pelatanan’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Ho fanamarihana izany tsingerintaona izany, dia hisy ny lanonana ofisialy ny 5 novambra manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, arahina alim-pandihizana, izay samy hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato. Ny 6 novambra kosa dia hisy ny fiaraha-misakafo iarahana amin’ireo mpikambana rehetra avy any amin’ny faritra. Fotoana hanamarihana ny zava-bita sy hanamafisana ny firaisankina ary hametrahana ny vina ho an’ny dimy taona manaraka izany.
SOLOTIANA
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FIRENENA
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

TENA STRATEJIKA

  • Raharaham-pitsarana
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

Hampodiana eto Madagasikara ilay

  • Fihaonambe
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

iraisampirenena

  • Fanadihadiana
  • Alarobia 04 Novambra 2026

parlemantera ny Jirama

  • Famonoana
  • Alarobia 04 Novambra 2026

an’i Raissa

  • Fandripahana ala
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Hazo 278 tratra tany

Hijery ny tohiny
FTT