Actualités

Raharaha Organčs -Brunel Mizara ny hevitry ny polisy, mifanesisesy ny fanambarana


  • Alakamisy 04 Novambra 2010

Ny alahady lasa teo dia nanao fanambarana ny fikambanan'ny polisy avy any Atsimo atsinanana izay fantatra amin'ny hoe « Grand Sud-Est », ny alatsinainy kosa dia nisy fanambarana hafa nataon'ny fikambanana hafa koa.

Ny fikambanan'ny polisim-pirenena avy amin'ny faritra Vatovavy Fitovinany Atsimo Atsinanana ary Anosy izay fantatra amin'ny hoe FPFV3A no nandefa io fanambarana io. Ny votoatin'izany dia ny filazana fa tsy tompon'antoka amin'izay filazan'ny fikambanana Grand Sud Est ny FPFV3A. Raha ny filazan'ny tompon'andraikitra amin'io fikambanana io aza dia tsy misy akory io Grand Sud-Est io.  Manahy izy ireo fa tsy ara-panjakana velively izany fikambanana izany. Mbola io loharanom-baovao io hatrany no nanamarika fa tsy misy afa tsy ny FPFV3A ihany ny fikambanan'ny polisy avy any amin'ny faritra atsimo iray manontolo. Entin'izy ireo hitenenana izany fa mety sandoka io Grand Sud-Est io sy ny fanambarana nataony. Asa indray izay mety  ho fivoaran'ny raharaha Organès Brunel manoloana an'io fanambarana io. Fa hatreto aloha dia samy mbola tafapetraka soa aman-tsara amin’ny toerany izy mirahalahy.

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT