Actualités

Raharaha FPVM Tantara mitohy …


  • Talata 11 Janoary 2011

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety ny avy amin’ny fiangonana FPVM omaly, notarihin’ny pastera Randrianatoandro Joseph. Taorian’ilay raharaha horonantsary izay natao tao anatin’ity fiangonana ity ny 19 aogositra 2010 dia misy indray ny horonantsary iray hafa tahaka ilay teo ihany saingy olona hafa indray no milalao azy.

Araka ny fantatra dia misy mihitsy tompon’andraikitra ao anatin’ity fiangonana ity voalaza fa isan’ireo milalao ilay horonantsary. Nilaza ireo tompon’andraikitry ny FPVM omaly fa niniana natao ity horonantsary vaovao ity ary ilay voalohany io fa ny lohan’ireo olona no nosoloina. Noho izay tranga izay dia nilaza ihany koa izy ireo fa hametraka fitoriana manokana hafa mihitsy an’ireo olona izay nanaparitaka ilay horonantsary. Raha tsiahivina dia olona efatra no efa naiditra am-ponja ny faran’ny herinandro teo ka mpiandry ny iray, miampy pastera iray sy ilay mpaka ny horonantsary ary ilay Rija voalaza fa mpilalao fototra. Raha ny zava-nisy tamin’ilay horonantsary kosa dia tena tao anatin’ny fiangonana no nanaovana ilay izy ary na ireo olona voarohirohy tamin’ity raharaha ity aza dia niaiky fa tao no nanaovana izany. Nisy ny resaka nilaza fa handray fepetra ny fanjakana mikasika ity fiangonana ity kanefa sarotra inoana ihany izany satria tsy vitsy amin’ireo mpitondra ankehitriny no mpino ao anatin’ity fiangonana iray ity. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT