Actualités

Raharaha FPVM Mihetsika aretina any am-ponja i Rija


  • Talata 15 Febroary 2011


Gidragidra any am-ponjan’Antanimora amin’ny zava-mahazo an’i Rija amin’izao fotoana izao. Araka ny fantatra dia mihetsika ny aretiny ka mamono mihitsy ny lehilahy. Sahiran-tsaina ireo mpiandry fonja satria mila olona 14 any vao mahatazona azy. I Rija moa dia ilay tovolahy mpilalao fototra tamin’ilay horonantsary mamoafady natao tao amin’ny fiangonana FPVM. Efa voasazy higadra enim-bolana an-tranomiazina sazy mihatra i Rija araka ny fantatra. Ankoatra izay dia miaka-midina eny amin’ny fitsarana mila ho isan-kerinandro ity raharaha FPVM ity.

Omaly dia tokony ho notontosaina ny fitsarana ilay raharaha nandravana ny filankevi-pitantanan’ny fiangonana. Nisy nitory mantsy ny iray tamin’ireo mpanorina ity finoana ity ka tokony ho notontosana omaly ny fitsarana azy. Tsy tontosa indray anefa izany noho ny fangatahan’ny voampanga. In-droa nahemotra, araka izany, ity fitsarana ity.

 
Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT