Actualités

Raharaha FPVM «Maninona no nokobonina tao ?», hoy ity mpahay lalŕna iray


  • Zoma 14 Janoary 2011


Araka ny loharanom-baovao dia tokony ho nodinihana teo anivon’ny filankevitry ny governemanta natao ny talata lasa teo ny raharaha FPVM. Tsy natao anefa izany, iaraha-mahalala rahateo fa tokony ho eo anivon’ny ministeran’ny atitany ity raharaha ity. Araka ny fanazavan’ny mpampianatra lalàna iray, izay tsy nitonona anarana, dia azo melohina na ireo nanao iny zavatra mamoafady iny na ny toerana nanaovana izany. Voahosihosy tanteraka ny zon’olombelona, ary dia voazimbazimba ihany koa ny fitsipi-piarahamonina.

Noho izany, dia azo enjehina araka ny lalàna, hoy ihany ity mpampianatra lalàna izay nametra-panontaniana hoe raha toa ka nisy niditra an-keriny na nanao amboletra tokoa tao amin’ilay fiangonana, satria niditra anatin’ny fotoana voarara, nahoana no tsy nampandre ny fanjakana ireo tompon’andraikitra tao ? Maninona no nokobonina tao, fa efa niely ilay horonantsary vao nihetsika ny tao ? Manana fitsarana ary tany tan-dalàna i Madagasikara, hoy ihany ity mpahay lalàna ka dia anjaran’ny fitsarana ny mamoaka ny didy mifandraika amin’izany. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT