Actualités

Raharaha FIGN Nisy manamboninahitra iray nafahana


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011


Nahazo fahafahana vonjimaika nanomboka ny sabotsy 15 janoary teo ny lietna iray izay voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN ny 20 mey 2010 teo. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ity raharaha ity dia niasa teo anivon’ny toby FIGN ihany io manamboninahitra io. Izy izany izao no miaramila fahafito nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika momba ity raharaha ity. Ireo ambiny hafa kosa izay manodidina ny roapolo dia mbola tazomina eo anivon’ny fonjan’Antanimora sy Tsiafahy.

Raha tsiahivina dia fanaovana fihetsiketsehana ara-miaramila tsy nahazoana alalana, vonoan’olona ary fanohintohinana ny filaminana anatiny no anenjehana ireto miaramila ireto. Ny momba ireo sivily izay mbola maromaro ihany koa ny miandry ny fitsarana azy any am-ponja dia fandrisihana ireo miaramila mba hikomy sy fanohintohinana ny filaminana anatiny no hitazomana azy ireo eny Antanimora. Raha araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao dia mety hiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana manaraky ny fitsarana ady heloka bevava tsotra ity raharaha ity. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT