Actualités

Raharaha fakana an-keriny Pasitera iray nampidirina am-ponja


  • Alatsinainy 13 Desambra 2010


Ny sabotsy 04 desambra teo no nampidirina am-ponja ny pasitera iray sy ny vadiny. Voalaza fa nikasa ny haka an-keriny zaza roa teny Ankadindramamy izy mivady ireto. Tamin’ny alalan’ny laharana finday nandefasan’ireo olon-dratsy “sms” no fantatra fa nitanana ilay mpitandrina. Rehefa nojerena tany amin’ireo mpandraharaha mantsy ilay laharana dia tsy voasoratra ny tompony saingy ireo olona roa nifandray taminy kosa no fantatra. Ireo olona ireo no nanonona ilay pasitera. Rehefa nanontanina izy dia nilaza fa novidiany ho an’ny vadiny ilay laharana. Milaza ho tsy mahalala io laharana io mihitsy anefa ny vadiny.

Raha tsiahivina dia nandefa “sms” milaza fitakiana vola tany amin’ny ray aman-drenin’ireo zaza kasaina halaina an-keriny ireo olon-dratsy. Raha tsy te ho faty ny zanakareo, hoy ilay “sms” dia omeo vola 15 tapitrisa ariary izahay. Natahotra ireo fianakaviana ka nanao fitoriana avy hatrany teny amin’ny zandary Betongolo. Ny sabotsy teo no natolotra ny Fitsarana ity raharaha ity ary naiditra am-ponja ilay pasitera sy ny vadiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT