Raha ny fanondranana an-tsokosoko (?) “bois de rose” no nanjaka teo aloha teo, ankehitriny dia ny famitahana ireo mpividy azy any Chine indray no mpitranga. Tranga iray no hita teo anivon’ny seranan-tsambo ny 18 janoary teo, raha teo am-panondranana azy tao anaty sambo ny MICTSL mpikirakira ny kaontenera.
Vokany, olona efatra no voasaringotra tao anatin’ity raharaha ity, izay nandalo fanadihadian’ny zandary sy ny polisy ary niditra fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ny zoma lasa teo iny. Nahazo fahafahana vonjimaika izy ireo. Tonga teo anivon’ny MICTSL ny kaontenera efatra ny 18 janoary izay aondrana any Chine. Raha ny taratasy rehetra dia nazava sy tsy nisy olana, saingy noho ny vaovao azon’ny zandary sy ny polisy ny seranana fa misy fitaka bevava sy fivadiham-pitokisana ireto kaontenera efatra ireto, ka dia natao ny fanokafana azy ireo ny herinandro lasa iny. Teo no nahatrarana fa ny kaontenera roa nolazaina fa bolabola dia hazo kininina sy hazo kesika avokoa, ilay kaontenera roa hafa nambara fa lasantsina jirofo mifatra 30 barika isaky ny kaontenera (izay mbola fitaka koa satria 60 barika isaky ny kaontenera no voalazan’ny taratasy) raha nosokafana dia rano mangatsiaka.
Raha ny fantatra dia ny 20%-n’ny vola vidin’ireo entana nifanarahan’ny mpanondrana sy ny mpandray any Chine dia efa voaloa. Ny fidiran’ireto entana ireto anaty sambo no hahatongavan’ny ampahany 80% manaraka. Tsilian-tsofina no nahalalana fa manodidina ny 12.500 tapitrisa ariary (5.000.000 dolara) ny fifanarahana teo amin’ny mpanondrana sy ny mpividy sinoa. Araka ny fantatra dia tsy vao sambany izao fa efa nisy tahaka izao ny taona lasa fa nampanginina. Anisan’izay ny ampahana kaontenera nisy hazo lo tratra teo anivon’ny MICTSL nidinan’ny Praiministra tao Toamasina mihitsy. Ankoatra izay, ny nahatongavan’ny FIP Antananarivo (Saka Mainty) tao Toamasina ny tapaky ny volana janoary 2011 teo nisambotra olona araka ny fitorian’ilay Sinoa nofitahany ny taona 2010 saingy nanjavona an-dalana ilay notadiavina. Fivadiham-pitokisana tamina fifampivarotana mitentina 8.000 tapitrisa ariary no niavian’ny olana. Tantara mbola hitohy izy ity, satria nidirana resaka “mafia” amin’izay.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.