Mba hampazava ny resaka amin’ny Malagasy sy hivoahan’ny marina dia miantso an’i Andry Rajoelina hifandahatra mivantana amin’ny Pr Zafy Albert ny FRDL, antoko tarihin’i Tonton Ambroise, ary izay dia halefa mivantana ao amin’ny haino amanjerim-panjakana araka ny fanazavan-dRakotondramanana Désiré, sekretera jeneralin’ny antoko nandritra ny valandresaka nataon’izy ireo omaly. Nandritra io fotoana io koa no nanaovan’ity antoko ity fanehoan-kevitra mikasika ny raharaham-pirenena ankapobeny ka nitsipahan’izy ireo ny sori-dalan’ny Dr Simao, izay ambaran’ny FRDL fa hamoa-doza ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy, satria tsy tenierana.
Etsy andanin’izay dia manamafy ry Tonton Ambroise fa ny famoahana ireo gadra politika, sivily na miaramila, dia antoka iray hisian’ny fitoniana eto, ka takian’izy ireo ny hanatanterahana izany mialoha izay mety ho fifampidinihana hatao hamahana ny krizy. Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena koa izy ireo hampihatra ara-bakiteny ny fepetra sy ireo fifanarahana manameloka ny fanonganam-panjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.