Actualités

Raharaha BANI Tsy raikitra ny fitsarana izany anio


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Nandeha be ny feo fa anio 19 janoary no hitsarana ny raharaha BANI. Rehefa nohamarinina teo anivon’ny mpisolovavan’ny sasantsasany tamin’ireo manamboninahitra tafiditra amin’iny raharaha iny dia nisongadina ny tsy fahamarinan’izany.

 Tsaho fotsiny ihany. «Raha ny fahafantarako azy dia tsy mbola nikatona tanteraka ny fanadihadiana momba iny raharaha iny. Mbola eo am-pandinihana ny fangatahana fahafahana vonjimaika rahateo ny fitsarana tato ho ato. Momba io farany dia fantatra fa tsy nisy nahazo izany ireo manamboninahitra rehetra izay nangataka”, araka ny fanazavan’ny iray tamin’ireo mpisolovava. Raha araka ny tombantombana indray dia amin’ny martsa any raha haingana indrindra no handeha ny fitsarana ity raharaha ity. Ny antony dia amin’ny 14 martsa no hanombohan’ny fitsarana ady heloka bevava tsotra.

Ny raharaha BANI anefa tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana hatreto. Dikan’izay dia mbola elaela mihitsy vao tena handeha ny fitsarana, raha tsy hoe angaha misy ny “session spéciale” na fotoam-pitsarana manokana araka ny baikon’ny ministera tompon’andraikitra. Raha ny zava-misy aloha hatreto dia mafanafana hatrany eny Tsiafahy eny hatramin’ny nanaovan’ny Lt-kolonely Charles Andrianasoavina ampamoaka tetsy Anosy ny alarobia 05 janoary 2011. Voatery nesorina tao amin’ny efitrano nisy azy izy ary natokana tanteraka taorian’izay. Raha ny feo mandeha koa dia maro loatra ny gadra politika ao amin’io fonja io, hany ka atahorana ny mety hisian’ny valifaty ao anatiny ao...

r.d
 
sary : Nandritra ny fitondrana ireo voarohirohy teny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy (Tahirin-tsary)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT