Actualités

Raharaha BANI Notohizana tany Tsiafahy ny famotorana


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Raha tokony ho nentina niakatra tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy hatao famotorana lalina mikasika ny raharaha BANI ny kolonely isany Coutiti Assolant, andiany faha-10 nivoaka tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, ny kolonely Jadifara Laurent ary ny kolonely Ramilijaona Luc André, Ombimangan’ny andiany faha-16, dia najanona tany Tsiafahy ihany izy ireo fa ny mpitsara zokiolona avy aty Antananarivo no nidina tany nanatanteraka izany.

Baiko midina no anton’io, araka ny fantatra. Tsy azo lavina rahateo fa nisy akony lehibe teo amin’ny mpitondra izao Fahefana Avon’ny Tetezamita ankehitriny izao ilay ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina ny 05 janoary 2011 narahin’ireo taratasy miparitaka amin’ny Internet, ka mety ho anisan’ny antony nandraisana izao fepetra tsy nampakarana azy ireo hiseho aty amin’ny Fitsarana izao, sao hatahorana hamoaka tsiambaratelo amin’ny mpampahalala vaovao eny an-dalantsara mandritra ny fotoana hitondrana azy ireo any amin’ny biraon’ny zokiolona amin’ny mpitsara famotorana indray izy ireo, ka hanampy trotraka. Tsy ferana ihany koa ny hoe noraisina io fepetra io ho fiarovana ny ain’izy ireo, satria tsy ilaozan’izay hisendaotra koa ireo mahatsiaro ho voatohintohina amin’ireny ampamoaka ireny ka sao tsy mahafehy tena amin’ny fihetsika hafahafa.

Ireo kolonely telo ireo izany no nanakatona ny famotorana anatiny mikasika iny raharaha BANI iny. Andrasana, araka izany, ny datim-pitsarana iny dosie mafana iny.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT