Actualités

Raharaha BANI Mety tsy ho eto an-drenivohitra ny Fitsarana


  • Alakamisy 20 Janoary 2011


Nanova zavatra betsaka teo amin’ny tantaran’ny Fitsarana sy ny voafonja ary ny mpitondra FAT ny fanambarana nataon’ny lietna-kolonely Andrianasoviana Charles, fotoana vitsy lasa izay teny amin’ny Fitsarana. Fepetra maro mantsy no noraisin’ny fandraharahana ny fonja sy ny ministeran’ny Fitsarana mba tsy hitenenan’ity manamboninhitra ity intsony, toy ny famindrana efitra azy teny Tsiafahy. Nisy ny sazy azon’ireo mpiandry fonja nitondra azy teny amin’ny tribonaly ka voalaza fa namela azy hiresaka tamin’ny mpanao gazety. Tsy avela miakatra aty an-drenivohitra intsony avokoa ireo manamboninahitra voarohirohy tamin’iny resaka BANI iny fa ny zokiolon’ny mpitsara mpanao famotorana no mankeny Tsiafahy manao ny famotorana azy ireo. Amin’izao fotoana izao dia efa misy hevitra sahady any ho any amin’ny tsy hanaovana ny fotoam-pitsarana ity raharaha BANI ity eto an-drenivohitra. Ny antony dia manahy ny hanaovan’ireo manamboninahitra ampamoaka indray ny FAT. Mba tsy hisian’izany dia eo am-piketrehana ny toerana hanaovana ity fotoam-pitsarana manan-daza ity ny eo anivon’ny FAT. 

Rakoto Maxime
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT