Actualités

Raharaha BANI Kolonely telo nohenoina ifotony


  • Zoma 17 Desambra 2010


Nentina teny amin'ny lapan'ny Fitsarana Anosy ny kolonely isany Ravoavahy, Faustin ary Toto Vincent omaly. Araka ny loharanom-baovao dia nohenoina ifotony izy ireo ka ny zokiolon'ny mpitsara mpanao famotorana no nanao ny famotorana. Naharitra ora maro ny fihainoana satria raha tokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany izy ireo no tonga teny amin'ny Fitsarana dia tsy niala tao raha tsy ny tolakandro mihitsy. Anisan'ireo naniry ny hanangana ny Komity miaramila ho fanavotam-pirenena hanoloana ny FAT amin'izao izy telo ireto. Raha ny tsikaritra teny Anosy omaly dia salama tsara izy ireo. Hita taratra teny amin'ny endrik'izy ireo ihany koa ny fahavononana hiatrika ny famotorana. Mitohy, araka izany, ny fihainoana ireo manamboninahitra teny amin'ny BANI. Ny ministry ny Fitsarana, Razanamahasoa Christine dia efa nilaza fa tsy maintsy hovitaina amin'ity taona ity ny raharaha teny Ivato ity. Nilaza izy fa tsy manakana ny fitohizan'ny famotorana ny fisian'ny fialantsasatry ny fitsarana amin'izao fotoana izao. Ho hita eo, araka izany, ny ho tohin'izany. 

Rakoto Maxime

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT