Actualités

Raharaha Ankadimbahoaka Niala tamin’ny fahanginany ny Filatex


  • Talata 03 Jona 2014

Niala tamin’ny fahanginany ny orinasa Filatex taorian’ny resabe taorian’ny fandravana trano teny Ankadimbahoaka tapabolana lasa izay, ao amin’ilay antsoina hoe «Sitara Ankadimbahoaka».

 Nitondra porofo an-taratasy milaza ny maha-azy ny tany 10 ha-14a-32ca ifanolanana amin’ny Fokonolona niorim-ponenana tao ny orinasa. Nambaran’ny Filatex fa efa hatramin’ny taona 1994 no nividianany ny tany «Soamahafaly XXXIII» sy ny tany manodidina ka nahatratra 30 ha izany ary nanorenany ny Filatex. Ny 10 ha amin’io, hoy ny fanampim-panazavana dia ilay «Sitara Ankadimbahoaka» ifanolanana io ary nahazoana alalana tamin’ny fitondrana Ravalomanana ny hanambarana azy amin’ilay “Soamahafaly XXXIII”. Tsy misy tanim-panjakana mihitsy ireo, hoy ihany ny fanazavana voaray. Novidian’ny Filatex hanorenana trano fitobian’entana na koa hampiasan’ny Zone Franche ka hitondra asa maro ho an’ny mponina ireo tany ireo. Nandritra ny fotoana tsy nampiasan’ny Filatex io tany io anefa dia nanomboka nipetraka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny fianakaviana maromaro ka miisa 30 tafo izy ireo ankehitriny. Nisy tamin’izy ireo no nisoloky ka nivarotra ny tany tamin’olon-kafa indray. Niezaka nifampiraharaha am-pilaminana tamin’ireo mponina ireo ny Filatex, hoy ny fanazavana, ary nanolotra hatrany fanampiana ho azy ireo. Dia ny vadintany niaraka tamin’ny mpitandro filaminana no nanao ny fanalana azy ireo nanomboka ny 19 mey teo nefa voarahona. Tena nanampy ireo mponina ny Filatex, hoy hatrany ny fanazavana dia vary 5kg, menaka 1l, savony ary vola 1 000 000 Ar isam-pianakaviana natolotra ny sefom-pokontany sy ny ministeran’ny mponina nefa dia mbola mitokona tsy miala an-toerana izy ireo. Etsy ankilany dia milaza ireo mponina rava trano fa tsy tonga tany amin’izy ireo ny fanampiana na izany aza dia vonona ny hifindra-monina ry zareo raha maharay izany mba entina hihary fiainam-baovao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT