Actualités

Raharaha ACOA Toamasina Nivaha ihany ny vola voageja


  • Talata 04 Janoary 2011

Raha ny fanazavana azo farany, dia efa nivaha ny volan’ny ACOA voageja teo anivon’ny banky BFV-SG Toamasina, vokatry ny disadisa tsy nisy fitsaharany teo amin’ny ekipan’ny Giovanni sy Mapoka Jean François ary ireo mpiray tendro aminy tamin’ny vondrona ACOA Toamasina.

Araka io fanazavana io ihany dia efa tonga eny anivon’ny kaonty manokana fametraham-bola (compte de dépôt) ny Trésor ao Toamasina ity vola voageja efa hananiky ny roa taona ity ; ary efa manomboka miverina ny famatsiana ny volan’ny mpikambana. Amin’ity volana janoary 2011 ity aza dia hisy fanavaozana ny birao samy hafa hitantanana ny ACOA amin’ireo sampany ao Toamasina. Raha hiverenana kely ny tantara, dia ordonnance maro no nifanoherana teo amin’ny fitsarana tao Toamasina, ka isan’ireny ny ordonnance 167-AGR/10 ny 19 mey 2010 izay nahazoan’ny ACOA rariny ka manala ny fagejana ny kaontim-bolany, nefa notoherin’ireo ekipan’ny Giovanni sy Mapoka Jean François indray ny 03 novambra 2010 izay tsy nahazoany rariny araka ilay ordonnance 328-AGR/10.

Nisy ny fampahafantarana nataon’ny vadintany ny banky ny 18 novambra 2010 ary nisian’ny hetsika nataon’ny mpikambana notarihan’i Maso José Michel (MTS) ny 11 novambra 2010. Ny hany mbola olana eo amin’ny ACOA sy ny ekipan’i Giovanni izay nilaza ho filohan’ny filankevi-pitantanan’ny ACOA Modely, izay anton’ny olana hatrany amboalohany, dia momba ilay vola 96 tapitrisa ariary (60 tapitrisa ariary vaingam-bola, 36 tapitrisa ariary taratasim-bola) nampiasan’izy ireo nandritra ny fidirany tao ny 23 martsa 2010  ; sy momba ireo fitoriana niisa efatra nataon’ny ACOA nanomboka ny 02 martsa 2010, izay fitoriana roa teo anivon’ny fampanovana ny TPI ary ny iray teo anivon’ny Bianco, izay tsy nisy tohiny hatramin’izao.

 Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT