Tototry ny fanentanana mampangorintsina ny fahitalavitra sy ny fampahalalam-baovao maro tao ho ao noho ilay vono olona mahatsiravina teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009.
Hitsingerina anio ny faha-3 taona nisian’ity tranga iray mampalahelo sy voarakitra ao anatin’ny tantaram-pirenena ity. Iny raharaha iny no nentina nanamelohana hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ny Filoha am-perin’asa (tamin’izany) Marc Ravalomanana. Antony iray lehibe mampikatso ny fivahan’ny krizy politika eto Madagasikara izany. Teren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny mpitondra ankehitriny mba hamafa heloka ny Filoha teo aloha amin’ny alalan’ny famotsoran-keloka faobe. Tsapa ho malaina amin’izany ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny mpomba azy, ka mitady izay fomba rehetra tsy hahatanteraka izany mihitsy. Iray amin’ny tetika ampiasaina ny famohazana fota-mandry. Hiavaka ny fankalazana ny andron’ny 7 febroary amin’ity taona 2012 ity, araka izay ventesina ombieny ombieny. Mazava be fa ity anio ity no fotoam-pankalazana voalohany taorian’ny fanatanterahana ny tondrozotra ho famahana ny krizy. Voambolana efa vita kajikajy mialoha, noho izany, no tsy maintsy ampiasaina entina hambaboana indray ny fon’ny olona. Maro anefa ny mahafantatra tsara ny tena marina tao an-damosin’iny raharaha iny ankehitriny saingy voatery mangina noho ny tahotra.
Namokatra fandaharana miendrika fanadihadihana lalina mikasika ny raharaha «Sabotsy mihosin-dra» ny fahitalavitra iray any Frantsa. «Retour sur la scène du crime» no lohateny nomena ilay fanadihadihana, izay maharitra 14 minitra eo ho eo. Fanontaniana marobe no napetrak’ilay Frantsay vavy izay namokatra ny fandaharana. Nahoana no nitarazoka ny fanadihadihana ? Iza no nitifitra ? Basy avy aiza no nitifirana teny ? Avy aiza ny tifitra ? Tombontsoan’iza iny heloka bevava iny ? Iza no nahazo tombony manokana ? Iza no voa mafy ? Iza no nivoaka mpandresy ? Ampahany tamin’ny karazam-panontaniana re tao anatin’ilay famakafakana ireo. Ahatsapana avy hatrany izany fa feno fihetseham-po tanteraka ilay vahiny mpamakafaka. Nahaontsa tokoa ny zava-nisy tamin’ny fotoan’androny.
Basy Uzi
Voalaza ao anatin’ilay famakafakana fa tsy basin’ny mpiambina ny Filoham-pirenena (garde présidentielle) niambina ny lapa tamin’io andro io no nahafaty ny olona teny Ambohitsorohitra. Balan’izany karazam-basy antsoina hoe Uzi izany no nahavoa ireo olona maty sy naratra. Misy ny fanazavana teknika nentiny. Fitaovam-piadiana mahery vaika miparitaka indrindra eran-tany ny UZI (arme de première catégorie), hoy ilay fanadihadiana. Bala miisa 500-600 isa-minitra no avoakany. Kely kokoa anefa ny balany (9 mm) koa dia kely kokoa, noho izany, ny diany rehefa miantefa amin’ny vatana.
Tamin’io andron’ny 7 Febroary 2009 io anefa dia voalaza fa ny Kalachnikov na koa ny AK47 no basy nampiasain’ny “garde présidentielle”, araka ilay fanadihadiana ihany. Lehibebe ny balany ary dia lehibebe ihany koa ny diany ho an’izay tratrany. Diam-bala kely no hita tamin’ireo olona lasa sorona fa tsy diam-bala lehibe, hoy ilay fanadihadihana. Tsy isalasalana, hoy izy, fa tsy basin’ny mpiambina ny lapa no nahafaty ny mpanao fihetsiketsehana teny Ambohitsorohitra.
Nitohy ihany ny fanadihadiana mikasika ny fiavian’ny basy Uzi. Voalaza fa ny Polisim-pirenena irery ihany no mampiasa io fitaovam-piadiana mahery vaika io eto Madagasikara. Hentitra anefa ny fepetra mikasika ny amin’ny fivoahan’io basy io ny toby fitehirizana azy. Nambaran’ilay famakafakana fa tsy maintsy olona manampahefana ambony tao amin’ny Polisim-pirenena tamin’ny fotoan’androny no namoaka ny basy Uzi nentina teny Ambohitsorohitra. Tsy nisalasala ny mpamakafaka nampiseho miharihary ny sarin-dRakotomihantarizaka Organes miaraka amin’ny basy Uzi iray eo akaikiny ary nilaza ihany koa ny amin’ny fomba nakan’io Minisitra teo aloha io ny toerana maha minisitra azy tamin’ireny fotoana ireny. Mbola voalaza ihany koa fa ny basy Uzi no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba ny Filoha Ravalomanana teny Anosy ny volana Aprily 2009.
Nisy fipoahan-javatra mahery vaika
Nasian’ilay fanadihadihana teny ny fotoana niandohan’ny tifitra teny Ambohitsorohitra ny andron’ny 7 febroary 2009. Mialoha izany, dia nampatsiahiviny ny voalazan’ny lalàna laharana faha- 91-011 nivoaka ny 18 Jolay 1991 mikasika ny fepetra raisin’ny miaramila eo am-piatrehana toe-draharaha ilana fandraisana fepetra manokana momba ny fampiasan-kery. Ambaran’io lalàna io ny fihetsika sy ny fitondran-tena rehetra tokony hatao, indrindra ny amin’ny fampandrenesana mialoha (sommation). Tsara ofana mikasika io lalàna io, hoy ny famakafakana, ny miaramila rehetra, indrindra ny mpiambina ny Filoham-pirenena noho izy ireo notsongaina noho ny fahakingany sy ny fahaiza-manaony manokana. Tsy ho ireo mpiambina ny lapa ireo mihitsy, hoy ny fanadihadihana, no nisahotaka tampoka ka nitifitifi-poana nony injay nirohotra tampoka nanatona ny lapa ny mpanao fihetsiketsehana.
Ny marina, hoy ny fanadihadiana, dia nisy fipoahan-javatra mahery vaika, ankevitry ny grenady tany anaty olona, ary dia nirarakompana niaraka tamin’izay ny tifitra tsy nisy indrafo. Notsindriany anefa fa nisy ny filazana mifanohitra tanteraka mikasika ny fizotry ny bala tamin’izay. Mifamahofaho be, hoy izy, ireo filazana samy hafa tetsy sy teroa. Ny onjam-peo Antsiva, hoy izy, nilaza fa niainga teo akaikin’ny hotely Colbert ny tifitra. Ny onjam-peo Viva indray tetsy an-daniny, hoy ihany izy, nanamafy fa avy tao an-dapa ny tifitra. Sary tao amin’ny gazety La Gazette de la Grande Ile nampiseho fitaratra vaky teo amin’ny biraon’ny Tahirimbolam-panjakana (Trésor) no nilazany fa nisy ihany koa ny tifitra niainga avy tao. Nilaza ny amin’ny fijoroana vavolombelona nataon’ny mpiambina Filoham-pirenena iray ny famakafakana mialoha kely ny fiafarany. Nambarany fa mpiambina ny lapa tokana monja no nalaim-panahy nampiasa ny basy teny aminy. Niisa 18, hoy izy, ny bala nivoaka ny fitaovam-piadiana teny an-tanany tamin’io andro io. Ny isan’ny olona namoy ny ainy anefa nahatratra 37 ary ny naratra 175.
Fanonganam-panjakana
Iza marina no tompon’antoka tamin’iny heloka bevava iny ? Mety mamaly izany ny fanadihadiana miendrika famakafakana iray hafa notontosain’ny France 24 ao anatin’ilay fandaharana manokana antsoina hoe «Reporters». Antoine Cormery no nanolotra ny famakafakana izay notontosain’i Virginie Herse sy i Cyril Vanier. Asehony ao ny fanomanana ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara, indrindra ny fandraisan’anjara mavitriky ny ampahana miaramila. Zavatra iray anisan’ny misongadina ao ny fivorian’ireo mpanao politika mpanohitra, izay notarihan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany andro. Nanitrikitrika izy ireo fa tsy maintsy manao «accusation» na fanamelohana ny Filoha Ravalomanana. «Lazaina, ohatra hoe Ravalomanana ‘criminel’ (mpamono olona) na koa Ravalomanana ‘traître’ (mpamadika tanindrazana)», hoy ireo mpanao politika ireo. Miseho endrika avokoa izy rehetra ao anatin’ny fanadihadihana. Lasa mpikambana tao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) na nahazo toerana ambony tao anaty fitondrana taty aoriana avokoa izy rehetra taty aoriana.
Vavolombelona
Mampahatsiahy ny tetika (complot) mba hanamelohana ho faty araka ny lalàna an’i Kristy ny zava-misy. Nilofo fatratra ny tandapa romanina tamin’izany mba hisamborana sy hanamelohana ilay Zanaka lahitokan’ny Avo. Nipoitra teny ihany anefa ny Marina taty aoriana ary samy niaiky ny rehetra, eny fa na ireo izay mafy fo indrindra aza. Tsy i Kristy velively tsy akory ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy azo ampitahaina aminy na dia kely aza akory aza izy. Ny zava-nitranga sy niainana kosa dia ahafahana manatsoaka fa tsy misy ny zava-baovao eto an-tany. Tetika efa nampiasaina fahiny no entina manameloka an’izatsy na izaroa, araka ilay fiteny mahazatra manao hoe : «Rehefa tiana hovonoina ny alika, dia lazaina fa romotra».
Alehan’ny saina ihany koa ny amin’ny nanesorana tampoka teo ny Jeneraly Raoelina Andrianiaina sy ny namany tao amin’ny fonjan’Antanimora ny herinandro lasa teo. Nafindra eny Tsiafahy indray mantsy izy ireo. Misy antony ao, izay inoana marimarina fa ny maha antomotra ny fankalazana ny andron’ny 7 Febroary. Mahafantatra lafiny teknika maro mikasika iny heloka bevava iny ity manamboninahitra jeneralin’ny Tafika malagasy ity. Nisy ny tatitra mazava nataony ho an’ny lehibeny mikasika izany. Nosoritana tsara ao ny andraikitry ny tsirairay, na tompon’andraikitra miaramila io na mpanao politika. Ahiana hiporitsaka ka hitafa an-gazety toy ny nataon’ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël vao haingana teo izy. Tsy maintsy nohalavirina ny sehatry ny fampahalalam-baovao araka izay azo atao, noho izany, izy. Iray amin’ireo tondroiny ho olo-meloka mivantana voalohany tamin’iny raharaha 7 Febroary 2009 iny ny Filohan’ny tetezamita. Miray feo amin’izany ihany koa ny fijoroana vavolombelona sasany nipoitra taty aoriana. Iray amin’ireny ny nataon’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles teny amin’ny tribonaly Anosy ny volana janoary 2011 sy ny tany am-ponjan’i Tsiafahy taorian’izay. Tsy miafina amin’ny besinimaro ny zava-nanjo azy taty aoriana. Dradradradraina ankehitriny ny hoe : «Herisetra, ra latsaka, korontana, aoka izay ! Aza adinoina fa nisy izany Sabotsy nihoson-dra izany». Marina loatra izany. Ampy tokoa izay. Nisy tokoa ny Sabotsy nihosin-dra. Ny marina fonosiny tsy ho faty mandrakizay fa tsy maintsy hibaribary ho fantatr’izao tontolo izao na ho ela na ho haingana. Tsy misy ny atao ao amin’ny miafina izay tsy haseho, hoy ny Baiboly.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.