Anisan’ny nahazo fanakianana tamin’ny vahoaka izahay Hafari Malagasy tarihako, hoy Atoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, fa fiarahamonina sivily nanara-maso akaiky ity resaka olan-tany tetsy Ankadimbahoaka ity nefa tsy nahasakana ny fandravana trano nisy teny an-toerana. Marina fa tena mpihiaka ny tsy rariny izahay, hoy izy, saingy tsy afaka manakana didim-pitsarana kosa ary tsy afaka hifanehatra amin’ny Emmo-Reg koa noho ny hery tsy mitovy. Aminay dia ny lalàna eto amintsika no mila fanamboarana mba tsy hiverenan’ny trangan-javatra tahaka ireny intsony fa mbola lalàna natao ho an’ny mpanambola no misy eto. Tsy vitan’ny fitsetserana sy fanateran-kanina sy tolotolotra kely intsony ny resaka ady tany eto amintsika satria dia vahoaka ana hetsiny maro no mbola hizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fandravana ny fananany tahaka izao raha tsy manao lalàna haingana ireo solombavambahoaka voafidy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.