Actualités

QMM – Fagnomba Mihenjana indray ny tady


  • Alarobia 15 Desambra 2010


Mihevitra ny fikambanana Fagnomba, izay vaovao ny mpitarika, fa tsy voahaja ny fifanarahana nifanaovany tamin’ny QMM, orinasa mpitrandraka fasimainty ao Tolagnaro, teo anatrehan’ny Faritra Anosy ny 30 oktobra 2010 mikasika ny fandraisana mpiasa hiasa eo anivon’ity orinasa ity, ka hahazo tombondahiny amin’izany ny tanora ao Tolagnaro. Araka ny fantatra dia nisy avy amin’ity fikambanana ity tonga tao amin’ny biraon’ny Faritra, misy ny Guichet Unique misahana ny fandraisana mpiasa, ary nanimba fitaovana tao ary koa nanaparitaka taratasy tao.

Omaly dia nitety kartie nampiomana amin’ny hetsika hataon’izy ireo rahampitso alakamisy. Araka ny loharanom-baovao dia mandrahona hanao fitokonana indray ny avy amin’ity fikambanana Fagnomba ity, ary ahiana hiteraka fanelingelenana ny fifamoivoizana mihazo ny foibe fitrandrahana fasimainty ao Mandena ka hampikatso ny asa ao amin’ny QMM toy ny tamin’ny volana oktobra farany teo indray izany.

 Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT