Maniry ny hampiasa vola eto Madagasikara ny PTA Bank izay bankin’ny vondrom-paritra COMESA.
Nisy ny fihaonana tamin’ny filohany Admassu Yilma Tadesse sy ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy Robimanana Orlando tany Etazonia ny herinandro lasa teo. Nangataka ny hidiran’i Madagasikara mpikambana ao amin’ny PTA Bank ny filohany. Nanadihady ny fepetra ara-bola takian’ny PTA Bank sy ny sehatra hiasany ary koa ny fitsinjaram-bola isaky ny firenena mpikambana ny tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana Malagasy.
Ny harena ankibon’ny tany, ny angovo, ny fizahantany ary ny “aéronautique” no tena misy azy, araka ny fanazavan’ny filohany. Afaka miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina na misy antoka fanjakana na tsia ity banky ity nefa koa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana koa. Koa satria ny Tahirimbolam-panjakana no sampandraharaha voalohany amin’ireo orinasa na banky anaovan’ny fanjakana petra-bola dia handinika lalina ity tolotry ny PTA bank ity izy aloha. Tsy maintsy misy mantsy ny fandanjalanjana ny pitsopitsony rehetra ka rehefa vita izay vao hatolony ny fanjakana foibe ny heviny satria ity farany no mpanapa-kevitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.