Actualités

Programa famonoana valala Ho tapaka amin’ny faran’ny febroary 2015


  • Alatsinainy 09 Febroary 2015

Mampatahotra ny ady amin’ny famonoam-balala eto Madagasikara izay tsy voafehin’ny fitondram-panjakana Malagasy ka niantsoana ny tohana ara-teknika sy ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka hiara-kisalahy tamin’ny alalan’ny FAO

. Niara-namolavola ny programa ady amin’ny firongatry ny valala mandritra ny 3 taona mitentina 39,4 tapitrisa dolara nanomboka tamin’ny 2013 hatramin’ny 2016 moa ny minisiteran’ny Fambolena sy ity sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny Sakafo, ny Fambolena sy ny Fiompiana ity. Vao ny 28,8 tapitrisa dolara anefa no voaangona hatramin’izao. Nahomby ny andiany voalohany sy ny fanombohana ny andiany faharoa saingy ahiana ho tapaka ny hetsika aorian’ny faran’ny volana febroary 2015 izao izay ilaina tetibola 7 tapitrisa dolara. Midika ho herim-po very maina ireo ezaka rehetra natomboka ary ho sarotra kokoa ny famongorana raha sanatria tonga amin’io tranga tsy azo anoharana noho ny tsy fahampiam-bola ampiasaina io ny zava-misy eto Madagasikara, hoy mpandrindra ny ady amin’ny valala Saïd Lagnaoui teny Ankorahotra. Hiezaka moa ny roa tonta hitady ny fomba rehetra hamenoana ireo vola tsy ampy, araka ny dinika teo amin’ny tale jeneralin’ny FAO sy ny filoham-pirenena Malagasy tany Addis-Abeba ny 30 janoary farany teo. Akony ratsy iray vokatry ny krizy lavareny novolena teto amin’ny firenena ny tsy nahatanteraka ara-potoana ity firongatry ny andiam-balala ankehitriny ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT