Actualités

Printsy Manjakavelo Miandrandra governemanta taratry ny fifandanjana isa-paritra


  • Alakamisy 06 Janoary 2011

Isan’ireo vondrona politika mandray anjara amin’ny fifampidinihana vaovao izay mandeha amin’izao fotoana ny Escopol.

Nanatontosa fivoriana tetsy Tsimbazaza omaly tontolo andro ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy sy Filankevitry ambonin’ny tetezamita avy amin’ity vondrona politika ity mba hamoahana hevitra iraisana hatolotra amin’ny fifandresen-dahatra amin’ireo antoko na ankolafy mpiara-midinika hafa. Tsy nisy nipika anefa ny fehin-kevitra tamin’izany. Raha ny hevitry ny Malagasy Mifanaja izay isan’ny antoko ao anatin’ny Escopol dia misy ny tsirim-panantenana ny hahatongavan’ny fiaraha-mitantana iarahana amin’ny Ankolafy Telo sy ny hery velona hafa amin’izao fifampidinihana izao. “Matoa tonga amin’ny dingan’ny fifanatonana ny mpanao politika ankehitriny dia misy ny fifanajana araka ny tarigetran’ny antokonay” hoy ny Printsy Manjakavelo,filohan’ny antoko Malagasy Mifanaja sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Miantso ny mpanao politika mba samy hampandefitra ny hambom-pony koa anefa ny tenany hampahomby ny dinika satria misy hevitra sasany mety hifanaraka amin’ny andrasan’ny andaniny fa mifanipaka amin’ny tombontsoan’ny ankilany. Momba ny fananganana ny governemanta dia tokony hahitana taratra ny firaisam-pirenena sy ny fifandanjana isa-paritra izany raha ny fanazavan’ity filohan’antoko ity hatrany. Rariny koa, hoy izy raha olona avy any Atsimo, faritanin’i Toliara, no tendrena ho lehiben’ny governemanta mba hampipetraka tsara io vina io. “Izay no firarian’ny Malagasy Mifanaja ka hatolotray ny Escopol saingy anjaran’ny mpikambana rehetra no manapaka”. Tsy olana amin’ny printsy Manjakavelo kosa anefa ny fampidirana olom-baovao ao amin’ny fahefana mpanao lalàna. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT