Toe-javatra mahavariana no mitranga etsy amin’ny biraon’ny prefecture de police fanoloana karatra simba na very ho an’ny Boriborintany faha-3 izay mitoetra etsy
Tsaralalana. Raha mitondra ny taratasy mihidy avy amin’ny tompon’andraikitra hafa hangalana karatra vaovao ireo mpangataka ny hanomezana azy ny kopian’ny renin-karatra dia ilay olona voakasika mihitsy no asain-dry zareo mpiasa ao mikaroka ny azy anaty boaty maromaro voatokana misy ny tahirin’ilay renin-karatra. Voalohany aloha asa hanakaramana ny mpiasa miandraikitra ny tahiry ilay izay ka tena mandany andro ny olona mpangataka mihitsy ny fijerena ilay izy ao ka misy tafajanona mijery ny karany ao mandritra ny tapakandro maninjitra mihitsy rehefa avy mikirakira boaty maromaro. Faharoa dia tena saropady fa mety hanimba olona iray mihitsy ny fahitana karatr’olona tsy tokony ho hitany ao na fanafenany izany fotsiny sanatria noho ny lonilony misy ka tokony ho zava-miafin’ny mpikirakira fanaovana kara-panondrom-pirenena no mikirakira izany. Rehefa namaly ny fanontaniana navantana taminy moa ny tompon’andraikitra iray tao amin’ity toerana ity dia nilaza fa vokatry ny fifindrafindrana lava teo amin’ity prefektiora ity (Antaninandro, Isotry avy eo Tsaralalàna) no nahatonga ny mpiasa sasany teo aloha tsy nahavita “classement” intsony dia lasa miparitaka be daholo ireo renin-karatra tehirizina. Tena mila mpiza-draharaha maro ny eto aminay, hoy ity tompon’andraikitra ity na ireo mpianatra mpanao fikarohana eny amin’ny Oniversite koa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.