Nanolotra vary 100 kitapo, lafarina 49 kitapo, siramamy 50 kitapo ary menaka 100 litatra, ho an’ireo mpino silamo ao amin’ny Mosquée 67 Ha ny Fitondram-panjakana, ka ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier, narahina Mpikambana sasantsasany ao amin’ny Governemanta no solon-tena tamin’izany omaly.
Noho ny volana Ramadany, izay fotoana manan-danja tokoa amin’ny mpino silamo satria fotoana ibebahana sy angataham-pitahiana amin’i Allah na Andriamanitra no antony, ka niarahabany ny mpino silamo rehetra. Manohana ny tsara sitrapo rehetra izahay eo amin’izay finoana an’Andriamanitra tokana izay. Mirary soa ho an’ny mpino Silamo mba hahavita ny adidy amin’izao fotoana izao”, hoy hatrany ny praiminisitra. Nitondra hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tenany, izay nilaza fa “miasa ny Governemanta, ary hitodiako amin’ny vahoaka Malagasy rehetra, mbola tsy vita akory ny asa, mbola ao anatin’ny fanaovana ezaka tanteraka ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao…hoy izy”Manaraka izay dia “mitondra fitoniana ny Governemanta, mpampihavana ihany koa ny Governemanta, ary eto aho dia manentana antsika rehetra mba hiaina ao anatin’izany fampihavanana izany, hiaina ao anatin’ny firaisankina”. Ary farany dia himasoan’ny Governemanta ny fanomanana rehetra mba hahatongavantsika amin’ny fifidianana. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny Filoham-pirenena ankehitriny, ka manao antso avo amin’ny vahoaka aho, fa manana zo hisitraka izay fotoam-piasany izay hatramin’ny farany ny Filoham-pirenena ka tsy tokony ho korontanina, aoka hamita izany izy ary hiroso amin’ny fifidianana isika, hoy hatrany ny Praiminisitra. Hahavita inona intsony moa na havela eo aza, fa ny fampanantenana poakaty, toy efa natao no hatao. Ny resaka fifidianana indray, tsy ny governemanta Mahafaly Olivier intsony no heverina fa hampisy ny mangaraharaha na inona na inona hambara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.