Niteraka resa-be sy nitarika fanehoan-kevitra maro ny mahakasika ilay loza niseho teny anoloan’ny La City Ivandry ny takarivan’ny zoma 14 septambra lasa teo. Zaza roa tamin’izay no voadonan’ny fiara mpisava lalan’ny primatiora, ka naratra mafy ary nahatezitra ny mponina.
Saika tsy hijanona ilay fiara raha tsy nosakanan’ny vahoaka. Mbola nahitana tavoahangina zava-pisotro nisy alikaola tao anatin’io fiaran’ny mpitandro filaminana io ary nodoran’ny olona tao niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana tavela tao anatiny. Nahagaga ny maro ny fanambarana navoakan’ny primatiora, izay nilaza fa tokony homena alalana manokana na "priorité" foana ny praiminisitra Ntsay Christian satria lehibena Andrim-panjakana iray. Mafy tokoa ny andraikitra tazoniny, araka ny fanamarihana nataon'ny teo anivon'ny primatiora ka rariny raha tsy hampitoviana amin’ny mpampiasa lalana rehetra izy. Nambara tao anatin’io fampitam-baovao taorian’ny loza io fa noho ny toe-draharaha ankehitriny dia nohamafisina ny fiarovana ny praiminisitra noho ny risika samihafa mety hahazo azy. Misy mitady hamono ve ny tenany sa finiavana hanadio tena teo anatrehan’iny fahadisoana iny ? Tsy nambara tao anatin’ny fampitam-baovao fa nandeha tamin’ny lalana mifanohitra ny kortezy, izay nahafaoka ireo zaza ary novaina indray fa nanapaka tampoka tamin’ny arabe. Manana ny zo feno izy, saingy tsy karazana fanadiovan-tena no nandrasan’ny rehetra tamin’ny ankapobeny fa fialan-tsiny saingy ny lehibe tsy mba meloka ! Tsy sahy niatrika loza ity olom-panjakana ity fa nandositra. Ny mahagaga dia nofafana ilay fampahalalam-baovao efa naparitaka, ary nipoitra ny karazana fanazavana niarahana tamin’ny mpitandro ny filaminana avy eo. Mampihoron-koditra ny mahita an’ireny hoe: ianao tokony ho fitaratra amin’ny lalàna no mandeha “sens interdit”. Rehefa voadona dia ny hoe : fiarovana no lehibe indrindra. Asehoy anay fa manara-dalàna ianao, ary asehoy hoe inona no hanjo sy hihatra amin’ireny nandona ireny, hoy ny Fikambanana Wake Up Madagascar. Tsy misy ambony lalàna eto na ianao aza, hoy i Mbolatiana Raveloarimisa nisolo tena ny fikambanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.