Actualités

Pr Razaranaina Jean Claude Andrasana ny fiverenan’ny famatsiam-bola ny SAMIFIN


  • Zoma 02 Mey 2014

Asa goavana manerantany efa am-polony taona maro ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny fampihorohoroana. Azo ambara fa taraiky ihany isika eto Madagasikara raha ity sehatra ity no resahana. Nanampy trotraka ny krizy nanomboka tamin’ny taona 2009. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ny Tale jeneralin’ny Samifin, ny profesora Razaranaina Jean Claude.

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona marina moa ilay hoe «Samifin» ?

Razaranaina Jean Claude (RJC) : Tiana tokoa ny manazava ety am-piandohana fa ny Samifin dia rafitra anankiray natao hiadiana amin’ny famotsiam-bola. Ny tena andraikiny dia ny fitiliana an’ireo asa izay mampiahiahy mankany amin’ny famotsiam-bola.

TT : Avy aiza indray no niavian’izy io ?
RJC :
Rafitra nivoaka avy amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena izy io. Ny «Convention de Vienne» ny iray voalohany izay nosoniavina tamin’ny taona 1988 ary faharoa kosa ny «Convention de Palerme» izay vita sonia ny taona 2000. Ireo fifanarahana iraisam-pirenena ireo no namaritra ny tokony hisian’ny fitiliana ireo antsoina hoe karazana famotsiam-bola mialoha ny tena hanaovan’ireo mikasa hanatanteraka izany asa voararan’ny lalàna izany ka ahafahana misoroka sy mitily ireo vola sokajiana maloto tiana hodiovina izay tsy maintsy giazana.

TT : Azonao faritana tsotsotra ve ny atao hoe «famotsiam-bola» ?
RJC :
Araka ny voalazan’ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny lalàna Malagasy izay narafitra taorian’ny fankatoavantsika azy io, ny famotsiam-bola dia ny fanafenana sy ny fanovana endrika loharano tsy ara-dalàna nahazoana vola na harena anankiray. Raha hazavaina amin’ny fomba hafa, raha nipoitra avy amin’ny fandikan-dalàna ny harena iray dia azo sokajiana ho harena na vola maloto izany. Manomboka eo raha vao manodina azy io ilay olona dia tafiditra ao amin’ny asa famotsiam-bola.

TT : Amin’ny fomba ahoana no hanaporofoana ny harena na vola maloto ?
RJC :
Ny antsoina hoe «heloka fototra» no manaporofo ny fisian’ny harena na vola maloto izay nodiovina. Miainga avy amin’ireo toromarika mahatratra 40 navoakan’ireo mpikambana ao amin’ny OCDE ahitana ireo firenena 8 manankarena indrindra manerantany miampy ireo firenena 12 vaovao sangany izay namorona ny «Groupe d’Action Financière Internationale contre le blanchiment». Tafiditra ao anatin’izany ireo sampanasa voalaza fa anjakan’ny famotsiam-bola hatrizay toy ireo sampanasa ara-bola isan-karazany na koa ireo sampanasa mpanome torohevitra na mpanara-maso amin’ny fikirakirana ara-bola. Ireo sokajina orinasa ireo dia takian’ity vondrona iraisam-pirenena ity hametraka rafitra anatiny mpanara-maso sy mpitily ireo fihetsika mampiahiahy. Etsy an-daniny dia ilaina ny fitsanganan’ny rafitra ara-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny famotsiam-bola izay ny Samifin ho antsika eto Madagasikara. Io rafitra anatin’ny orinasa io no mampita ireo vaovao mety mampiahiahy any amin’ny Samifin dia ny «déclarations financières suspectes» na DOS. Anjaranay ato amin’ny Samifin avy eo no manatanteraka ny asa fandalinana sy fanadihadiana miainga amin’ny DOS ka mitady ny antom-pisian’ilay antsoina hoe «heloka fototra» amin’ny alalan’ny fisehony sy ny vokatra naterany.

TT : Inona no mitranga rehefa voaporofo ilay «heloka fototra» ?
RJC :
Karohin’ny sampanasa ao amin’ny Samifin avy eo ireo olona nanatanteraka izany miaraka amin’ireo porofo hafa. Miafara amin’ny fanagiazana ilay fananana mandritra ny 2 andro ny andraikitry ny Samifin izay voarakitry ny lalàna mazava. Ao anatin’io 48 ora io no andefasana ireo antontan-taratasy rehetra any amin’ny Fampanoavana mba hanokafana ny raharaham-pitsarana. Miaraka amin’io ihany ny fangatahana ny fanagiazana ilay harena na vola tsy madio sy ny tsy fahafahan’ireo olona voarohirohy hivoaka ny firenena.

TT : Fitsarana manokana ve no misahana ny raharaha famotsiam-bola ?
RJC :
Taloha dia niaraka tamin’ireo raharaham-pitsarana rehetra ny dosie momba ny famotsiam-bola. Noho ny fangatahana avy aty aminay tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana anefa dia nijoro nanomboka ny taona 2012 ny sampanasa manokana dia ny «Chaîne pénale» izay mandray ireo antontan-taratasy avy amin’ny Bianco ihany koa. Aorian’ny fanokafana fanadihadiana notanterahan’ity sampam-pitsarana manokana ity sy ny fanamarinana ny fisian’ny famotsiam-bola moa no mivoaka ireo didim-pitsarana rehetra momba ny ady atao amin’ny fanodinana fananana maloto.

TT : Ahoana indray ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
RJC :
Tsara ny manamarika fa mitovy daholo ny fomba fiasan’ny sampandraharaha rehetra miady amin’ny famotsiam-bola manerantany. Mivondrona ao anatin’ny «groupe Egmont» izay manana ny foibeny ao Bruxelles ny sampandraharahan’ireo firenena mpikambana miady amin’ny fampiasana vola sy harena maloto. Azo ampitoviana amin’ny fomba fiasan’ny «Interpol» izy io ary mivory isan-taona ireo mpikambana ao anatiny mifampizara vaovao sy traikefa miaraka amin’ny fifampiofanana.

TT : Efa mpikambana ao ve isika eto Madagasikara ?
RJC :
Misy lalàna iray dia ny momba ny ady amin’ny famatsiam-bola amin’ny asa fampihorohoroana izay mbola mila laniantsika eny anivon’ny Antenimieram-pirenena vao afaka mangataka ho mpikambana raikitra ao isika. Eo am-piandrasana izany dia nanao fifanarahana manokana amin’ireo firenena matetika hisian’ny famotsiam-bola miainga avy eto Madagasikara dia i Monaco, Thaïlande, Seychelles, Belgique, Emirat Arabes Unies ary Sénégal. Manampy azy ireo LaFrantsa sy i Maorisy mpiahy antsika.

TT : Inona ireo asa efa nisongadina ho an’ny Samifin ?
RJC :
Ny faramparan’ny taona 2008 vao nijoro ny Samifin izay niezaka nametraka ireo rafitra rehetra ao anatiny. Niroso avy hatrany tamin’ny fitiliana ireo sampanasa ilaina fiaraha-miasa ahafahana manatontosa an-tsakany sy an-davany ireo adidy sy andraikitra goavana iadiana amin’ny famotsiam-bola ny Samifin taorian’ny fijoroany. Anisan’izany ny fanentanana sy fampiofanana ireo sokajina orinasa voakasika manokana amin’ny famotsiam-bola izay tena asa sarotra sy manahirana tokoa satria tsy maintsy resen-dahatra izy ireo hanome ireo vaovao mety mampiahiahy. Henjana rahateo ireo sazy mihatra amin’ireo tratra mamotsy vola satria sokajiana ho anisan’ny fandikan-dalàna goavana.

TT : Teny ho famaranana ny resadresaka ?
RJC :
Tapaka nanomboka tamin’ny taona 2009 ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Miankina betsaka amin’ny fandalovan’ny iraky ny «groupe Egmont» amin’ity volana mey 2014 ity izay hifampidinika sy hifampiraharaha amin’ireo mpitondra Malagasy vaovao ny ho tohin’ny zava-drehetra, indrindra ny fiverenan’ny famatsiam-bolan’ny Samifin. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • FIATREHANA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

NY EL NINO

  • Trafika sokatra
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Vehivavy mpandraharahan'ny

  • KAOMININA
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

Hijery ny tohiny
FTT