Tao anatin’ny herintaona izay, dia feno dian-tanan’ny «tsimatimanota» ao ambadiky ny fahaverezan’entana eo anivon’ny seranan-tsambo Toamasina.
Raha tsy ny mpamatsy ny entana any ivelany no manao ny ataony, tahaka ireo kaontenera miisa 24 sy 20 tokony ho nisy siramamy nefa foana ny volana oktobra sy novambra 2010, dia ireo «mafia» indray no manao izay tiany eto. Ireo entana fanondrana no tena itrangan’ity fanodinkodinana entan’olona ity. Eo ny “bois de rose” izay misy tambajotra matanjaka manomboka amin’ny olom-panjakana ambony, mandalo ireo «transitaires» ary mifandray tendro amin’ny mpiasan’ny ladoany, ka ny fanovana ny “bois de rose” ho lasa hazo tsotra no fanaon’izy ireo mandritra ny “opération”. Efa betsaka ny tratra momba ity raharaha ity, fa afa-maina avokoa noho ny herin’ny vola. Misy olona izay tokony ho nosamborina izao aza dia tsy hita tampoka eo noho ny resa-bola ihany. Ankoatra izay, efa miditra amin’ny resaka zavatra hafa koa ireto «mafia» mpanodina entana eo anivon’ny seranan-tsambo ireto.
Tamin’iny volana janoary 2011 iny izao dia entana efa an-dalam-panondranana no niova tampoka ny tao anatiny, ka raha menaka manitra jirofo no tokony ho tao anaty kaontenera roa amin’ny 60 barika avy, dia lasa rano avokoa izany ary nihena ho 30 barika avy indray koa. Olona efatra no tratra sy voarohirohy tamin’ity raharaha ity, nahitana «transitaire» efa malaza ratsy ao Toamasina sy mpiasan’ny ladoany ary ireo mpifandray tendro aminy. Vao niakatra fitsarana nanaovana fanadihadiana anefa dia afa-maina ihany koa satria niteny … ny vola. Araka ny fantatra mantsy dia tsy latsaky ny 3.000 tapitrisa ariary ny vidina menaka manitra jirofo iray kaontenera amin’ny 60 barika. Ny iray litatra aza ao Toamasina efa mananiky ny 20.000 ariary hatramin’ny 30.000 ariary ny hividianana azy. Ankilan’izay, dia maresaka be izao fa misy fanondranana menaka rongony koa. Ny Aziatika no voalazan’ny loharanom-baovao ho tena mpitady izany, ary any amin’ny 2.000.000 ariary ny iray litatra hividianan’ireo «mpibizina» izany. Mbola tantara hafa koa izy ity, izay mbola hotaterina eto ihany ny mahakasika azy tsy ho ela.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.