Toa nisesisesy izany tato ho ato ny faniratsiran’ny olona ireo polisy misahana ny fandaminana ny fifamoivoizana. Fa ny tena nahoraka farany teo dia ny nataon’ilay teratany Sinoa teny amin’ny Boulevard de l’Europe sy ilay Frantsay teny Analakely.
Raha hita mazava izao mantsy fa nandika ny lalàna momba ny fifamoivoizana mihatra eto Madagasikara izy ireo dia nidrikina tsy nety niaiky ny fahadisoany ary tsy nanaiky nanolotra ny taratasy momba ny fiarany, raha tsy efa taoriana fifamaliana sy fifanazavana lava be. Ireny no hitan’ny besinimaro ka nivoaka tamin’ny filazam-baovao, saingy araka ny fanadihadiana natao teny rehetra teny dia efa maro be ireo tranga, naniratsiran’ny vahiny ny polisy malagasy, ary ho an’ny nanatri-maso dia tena fanambaniana tsy roa aman-tany mihitsy no ataon’ireo vazaha sy polisy gasy. Ny tena mahazendana amin’ity raharaha ity ihany koa dia tsy sahy mandray andraikitra avy hatrany fa mihafihafy mila resaka ireo polisy. Raha ohatra anefa ka malagasy no nitondra fiara ka be famaliana tahaka ireny, efa asa fotsiny, hoy ny olona eny an-dalana eny.
Araka ny fandinihana azy, dia mbola maro ireo vazaha manao fisainana mpanjanatany ka manandevo tsotra izao ny Malagasy amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny fiteny ; fa eo koa ireo mieritreritra azy fa manana mpiaro ao ambonimbony ao ka tsy te hahalala izany lalàna izany fa izay tiany ihany no ataony. Fa raha araka ny tsiliantsofina re ihany koa dia maro ny olona sahy mamaly polisy amin’izao fotoana, na teratany io na vahiny noho ny fahafantaran’izy ireo fa omena vola kely dia mangina sy tsy mampihatra lalàna ny polisy. Efa maro dia maro tokoa ny fanentanana sy fanadiovana natao, saingy hita isan’andro fa mandray kolikoly ary tena mitaky izany mihitsy ny polisy malagasy (sasany), ka ahoana moa no hanajan’ny olona azy ireo amin’izany. Tena mbola sarotra ny ezaka ka tsy maintsy atao amin’ity sehatra ity satria hafahafa ihany izany hoe manampahefana sy mpampihatra lalàna tsy hajaina sy tsy atahoran’ny olona izany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.