Raikitra ny tora-bato sy ny fametrahana barazy nataon’ireto vahoaka tao Dépôt Toamasina, taorian’ny nahalalan’izy ireo fa maty teny amin’ny hopitaly ny alahady tamin’ny 3ora sy sasany maraina Rakotondramanana Olivier, tovolahy 18 taona, manana olana ara-tsaina. Ny alahady maraina dia tapaka ny lalana mandalo ny Madarail – Galana. Voatora-bato ny fiaran’ny Emmo-Sécurité sy ny polisy, nisy fiaran’olona-tsotra ihany koa simba. Voatifitra teo amin’ny kibony ity tovolahy ity ny sabotsy tokony tamin’ny 6ora hariva, tsy lavitra ny trano fonenany ao Dépôt raha avy naka ravimpontsy nohafaran-drainy azy entina handorana kisoa ao amin’ny abatoara. Polisy “mamo” nanao fanaraha-maso ny halatra solika amin’ny fantsona lavaben’ny Galana no nitifitra azy. Nilaza ny mpiara-monina aminy fa efa nandohalika nifona tamin’ny fanakanan-dalana tamin’ny fotoana nandalovan’ilay fiaran’ny mpitandro ny filaminana ity tovolahy ity, nefa mbola tratry ny daka sy ny tehamaina ary efa nandositra nefa izao mbola notifirina izao ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.